Pro-Siteny Analamanga

“Teo aloha 13 sandoka fa izao vao 13 tena izy”


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Tsy marina ny filazana fa handrava ny Rovan’Analamanga ny kandidanay, fa ilay Colisée no noresahana, hifampidinihana

tsara amin’izay rehetra mahefa sy afaka manapa-kevitra tsara ny amin’izany ny momba io “colisée” io. Fanitaran-drasaka ihany koa ny fanasoketana fa handrodana ny Kianja Barea, fa ny hamerina ny anarany ho “Mahamasina” no nambara fa tsy ilay zavatra efa vita tao no horavaina”, hoy ny Pro-Siteny Analamanga. Talohan’ny nanambarany ofisialy dia naneho fa manaja ny soatoavina sy ny hasin’ny tanàna, nihaona tamin’ny Antenimieran’ny Andriana Merina, ka fiangavian’ireo dia ny handravana an’io raha lany satria tsy manaja ny soatoavina ny Colisée Romanina, hoy ny fanazavana. Nampahafantari na ofisialy ny sabotsy teo tetsy amin’ny Résidence Tournesol Andoharanofotsy moa ny fisian’ny Pro-Siteny ao anatin’ny faritra Analamanga, izay manohana an’I Siteny Randrianasoloniaiko, nentina nanao fitsinjaran’asa isaky ny distrika sy Boriborintany. Atoa Solofoniaina Rafiringa Pierre no mandrindra izany, ka feno avokoa ny distrika 13 anatin’ny Faritra Analamanga, hoy izy. Asa tsy maintsy atao ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanentanana ny olona, fa alohan’izay dia ny fanomanana ny sehatra isam-potony sy fampahafantarana ny kandida sy ny programan’asany, ary nambaran’ireo mpitarika fa mitsangana ara-dalàna, ary mipetraka avokoa ny rafitra rehetra, hoentina mampandany ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. “Betsaka ny mpanely tsaho sy mpanaratsy, ary milaza fa tsy tia an’Antananarivo, ka tsy mitombona izany,… Hatramin’izay 13 fake no nisy, fa amin’izao efa tonga ny 13 vrai”, hoy hatrany ny Mpandrindra ny Pro-Siteny Analamalanga Solofoniaina Rafiringa Pierre.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT