Politique

Printsy Elakovelo Tsy mila zavatra mirefarefa amin’ny tany !


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

Tokony ho fanapahan-kevitra matotra sy am-pahendrena no hamahana ny olana eto amin’ny firenentsika ary izany indrindra no notakian’ireo mpiara-dia amin’ny Amiraly Didier Ratsiraka, raha ny nambaran’ny printsy Elakovelo.

 Ny fampanjakana ny fifandeferana sy ny fanesorana ny hambom-pon’ireo mpiantsehatra politika no tena takiana amin’izany, araka ny filazany. Tsy nandray anjara tamin’ny fanasoniavana ny tondrozotra, araka izany, ny ankolafy Ratsiraka, satria efa tsinjon’izy ireo sahady ny tsy fitazoman’ny mpanohana ny FAT ny teny sy ny tsy fanajany ny zavatra nosoniaviny. Manjary manaiky hanao sonia ny tetika ambadik’izy ireo izahay, hoy hatrany ny Printsy Elakovelo. Anisan’ny takiany ny tokony hanaovana fivoriana an-tampony amin’ireo mpanao politika mpifanandrina rehetra, izay atrehan’ny mpanao gazety isanisany eto amin’ny firenena. Eto dia notsipihany fa tsy avakavahana ny mpanao gazety manatrika izany, ary hajaina ny fahalalahany hamoaka izay rehetra niseho nandritra ny fivoriana. Tsy zavatra mirefarefa amin’ny tany no atao fa ifanarahana sy ifanekena tsara. Ialana ihany koa ny filazana lainga afafy ny vahoaka amin’izay fotoana izay, satria tokony hapetraka hatrany fa ny vahoaka no masi-mandidy amin’ny firenena. Nofaritany fa mitady ny tombontsoany manokana ireo tia sy zatra mamafy lainga ny vahoaka na nandritra ny fifanarahana natao teto, indrindra fa ny tany ivelany.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT