Tena mbola lavitra ezaka sy tsy mbola ahitana vahaolana maharitra ny tsy fandriampahalemana. Mitombo isan`andro ny antsana manasaraka ny vahoaka amin`ny fitondrana. Efa tsy mahatoky intsony ireo rafitra misy ny Malagasy manerana ny nosy. Manamarina izany ny saika fisian`ny fitsaram-bahoaka ny talata lasa teo tany Betafo.
Mponina manodidina ny 300 avy any amin’ny fokontany Masiloharano, kaominina Antanimandry, Antsirabe II sy Kaominina Ambatomikolahy no tonga nirohotra tao amin’ny borigadin’ny zandary tao Betafo. Efa ambony ambany tokoa ny toe-draharaha ary ny any ambanivolo no tena misedra izany asan-dahalo sy ny tsy fandriahampalemana. Mahatsikaiky tokoa fa 60 andro mahery tao aorian`ny Team Building tany Mantasoa vao tapa-kevitra ny Lehiben`ny Governemanta fa hampiatra sy hanohy izay tapaka nandritran`izany fivoriana izany. Tapaka tamin`izany Team Building izany fa hajoro ireo ``Task Force`` mahakasika an`ny fidanganan`ny vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana. Nilaza ny praiministra Mahafaly Olivier nandritra ny lahateniny tamin`ny fanokafana ny atrik`asa momban`ny fandriampahalemana fa ``ho fanamafisana ny atao amin`ny tsy fandriampahalemana izay tsy mitsahatra ny mirongatra dia ilaina fametrahana paik`ady mba hahitana vahaolana haingana ary ho atao isaky ny distrika izany``. Efa tofoka amin`ny tsy fandriampahalemana ve ny vahoaka vao handray fepetra hampitsarahana ny tsy fandriampahalemana? Tompondaka amin`ny atrik`asa tokoa isika malagasy ary tezitra amin` izany ny fitondrana rehefa lazaina hoe manao resaka ambonin`ny latabatra fotsiny. Andrasana indray izay fehin-kevitra hitsiry mandritra an`izany atrik`asa ho tsy fandriampahalemana izany mba hitondra paika mahomby sy maharitra hamongorana azy io.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.