Politique

Praiminisitry ny tetezamita Mitazona an’i Mangalaza ny FRDL


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Nifanaraka tao amin’ny hotely Le Paon d’Or, ireo vondrona politika 11, ka anisan’izany ny Ankolafy telo, ny 16 septambra 2011, ary nomarihina tamin’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana izany.

 Andraikitr’izy ireo tanteraka izany, hoy ny FRDL (Front Républicain Démocrate Légaliste), tarihin’i Tonton Ambroise. Nanamarika anefa ity farany tamin’ny fanambarana nataony omaly, fa na tsy nanao sonia io tondrozotra naroson’ny Troika io aza izy ireo, dia tsy manao volo manoha randrana amin’ny fampiharana azy. Nohamafisiny koa  ny fanohanany an’i Mangalaza Eugène ho amin’ny toeran’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, noho izy efa neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny GIC-M, ary efa nifanarahan’ny Pr Zafy Albery, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Andry Rajoelina rahateo.

Miandrandra ny mpanao politika malagasy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy i Tonton Ambroise, mba hahay hifanaraka ka hahita marimaritra iraisana hanamora ny fampiharana iny sori-dalana voasonia iny, hitondra mankany amin’ny fanatanterahana fifidianana malalaka, mangarahara, ekena sy ankatoavin’ny rehetra. Izay no mbola iantsoanay FRDL-Mouvance Légaliste sy ny GAS-LNRD ary ny CSDM ireo mpanao politika sy fikambanana samihafa ary olom-pirenena tsy vakivolo hahay hihaino ny feon’ny fieritreretany ary hampangina ny hambom-po sy ny fialonana na koa ny fankahalana fa hanaja ny soatoavina ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena, hoy i Tonton Ambroise. Ny hoavin’ny taranaka no ndeha hobanjinina, ary ny raharaha fampandrosona ara-toekarena, sosialy no ndeha himasoana, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT