Naverimberin’ireo mpanao politika manohana an’i Andry Rajoelina tato anatin’ny andro vitsivitsy izay fa sarotra ny hampandrosoana ny tetezamita raha toa ka olona mifanipaka fomba fijery amin’ny filohan’ny FAT no tendrena ho praiminisitra.
Nanamafy izy ireo fa olona afaka miara-miasa tsara amin’Atoa Andry Rajoelina no apetraka eny Mahazoarivo. Koa mipetraka eto ny fanontaniana hoe : inona marina moa no dikan’ilay hoe afaka miara-miasa amin’ny filohan’ny FAT ? F’angaha moa raha olona avy amin’ny Ankolafy 3 dia midika avy hatrany fa tsy afaka ny hiara-hiasa amin’ny filohan’ny FAT mihitsy fa dia hanangana fanjakana kely iray ao anatina fanjakana ? Moa ve tsy olona niara-nitolona tamin’i Andry Rajoelina sy efa nifandray taminy hatry ny ela no nantsoiny hiara-miasa aminy nanomboka tamin’ny 2008 ? Moa ve nahavita asa sy nahavaha ny krizy izy ireo ? Raha nisy olona mifanara-tsaina amin’ny filohan’ny FAT dia voalohany Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, filohan’ny antoko AVI, saingy tsy hita mazava tsara izay tena zava-bitany mivaingana tao anatin’ny tetezamita. Misy amin’ireo olona ao anatin’ny antoko tarihiny aza no manaratsy mihitsy an’i Andry Rajoelina.
Fa mahalasa fisainana koa ny hoe : f’angaha moa mieritreritra ny hanatanteraka fandaharanasa goavana maro be mihitsy ny filohan’ny FAT no mametraka fepetra ny amin’ny tokony ho toetr’izay praiminisitry ny tetezamita izy sy ny mpanohana azy ? Tsy efa mazava ve ny resaka vantany vao voasonia ny sori-dalana fa fiaraha-mitantana no atao eto ary fifidianana no tanjona iombonana, dia vita ny tetezamita ? Tsy tokony hisy intsony, araka izany, ny resaka hoe : fanamboarana hopitaly sy kianja manara-penitra, fanamboarana lalana sy arabe vaovao, fividianana na fanofana fiaramanidina, fiantsoana mpandraharaha hitrandraka harena ankibon’ny tany etsy sy eroa …
Fampandehanan-draharaha tsotra no ataon’ny fitondrana tetezamita, fanomanana sy fikarakarana fifidianana no laharampahamehana aminy, tsy olana ny ara-bola sy ara-pitaovana satria efa nanome toky ny sehatra iraisam-pirenena fa hanampy antsika. Koa inona no hameperana dieny izao sahady fa olona tsy maintsy afaka miara-miasa tsara amin’ny filohan’ny FAT no atao praiminisitra, sa kosa efa fanomanana ny sain’ny rehetra ve izany fa olona efa tao an-dapa ihany, izay ambara fa tsy tanaty vondrona na ankolafy politika mihitsy no hotendrena eo ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.