Raha ny tetiandro voarakitry ny lasitra ho fampiharana ny sori-dalana dia any amin’ny fiandohan’ny volana novambra 2011 no ho fantatra izay ho praiminisitra tenierana, ankatoavin’ny rehetra.
Raha ny voarakitra ao anatin’ilay sori-dalana ihany dia olona tsy mitovy firehana na firohotana amin’i Andry Rajoelina, tsy mitovy fiaviana aminy koa ny ho praiministra. Raha ny marina dia olona avy amin’ny mpanohitra no tokony hitondra ny governemanta. Atoa Manandafy Rakotonirina sy Rtoa Naika Eliane no anarana naroson’ny ankolafy Ravalomanana. Raha ny fanazavan-dRakotovazaha Olivier, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM dia tsy maintsy izay marimaritra iraisana no hapetraka. Raha ny mpanagadra no filoha, hoy Rakotovazaha Olivier dia ny nogadraina no hatao praiminisitra.
Raha ny nanongana no filoha dia izay naongana no hitondra ny governemanta. Raha tsy izany dia tsy hipetraka mihitsy ilay hoe tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa, hoy izy. Na dia nanolotra anarana aza ny ankolafy Ravalomanana, tsy midika fa misaraka amin’ny ankolafy telo izy satria tsy miantsy hifampidinihan’ireo filohana ankolafy tsirairay avy izay ho marimaritra iraisana. Ny Troika, hoy ihany ity mpitari-tolona ity no hanaraka izay olona hotendrena io raha tena manaja marina ilay voafaritry ny sori-dalana. I Tabera Randriamanantsoa, mpikambana ao amin’ny Ankolafy Zafy indray anefa dia manamarika fa iray ihany no haroson’ny Ankolafy telo ho amin’izany toeran’ny Praiminisitra izany, ary efa mifampiresaka ny amin’izany ireo filoham-pirenena telo mitarika ny ankolafy isanisany. Na izany aza dia be fanantenana ny Ankolafy Telo fa olon’izy ireo ny ho Praiminisitra voatendry eo.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.