Araka ny loharanom-baovao dia mety tsy ho lasa any Afrika Atsimo indray ny praiminisitry ny FAT, ny jeneraly Albert Camille Vital.
Ny tompon’andraikitra any amin’ity firenena ity mihitsy no re fa manakana ity fandaharam-potoana ity. Etsy ankilan’izay dia misy ny loharanom-baovao hafa milaza fa hisy ny delegasiona avy amin’ny miaramila malagasy ho any Afrika Atsimo hitafa mivantana amin’ny filoha Jacob Zuma. Tsy mbola fantatra izay hitarika io delegasiona io na ny fotoana hanatanterahana ny fihaonana.
Araka ny fantatra dia tokony ho mialoha ny fanendrena izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana izany. Manaporofo, araka izany, fa tsy maintsy hahazo ny fankatoavan’ny miaramila izay ho praiminisitra heverina ho iraisana eo. Na ireo mpanao politika manohana ny FAT tahaka an’i Pierre Andrianantenaina na ireo avy amin’ny TGV dia efa samy nanipy io resaka io avokoa ny amin’ny tokony hahazoan’izay praiminisitra fankatoavan’ny foloalindahy. Mikasika ilay delegasiona indray dia mety ho ireo lehibe mivantana tompon’ny fibaikoana toa ny jeneraly Razafindrakoto Bruno sy ny jeneraly Ndriarijaona André no hitarika izany any Afrika Atsimo. Mety ho anisan’ireo delegasiona koa ny jeneraly Ravalomanana Richard.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.