Politique

Praiminisitra Vital :Mety handao ny toerany koa


  • Zoma 22 Janoary 2010

Roso ny dinika ao amin’ny Carlton nanaikan’ny Groupe International de Contact na GIC fivoriana manokana, fanindiminy io, hamahana ny krizy eto Madagasikara, krizy izay efa mananika ny faha-14 volana izao taorian’ny fanakatonana ny fahitalavitra VIVA, fananan’i Andry Rajoelina.

 

Tapitra nihaona tamin’i Jean Ping, filohan’ny Vaomieran’ny Firaisambe Afrikanina, mitarika ny fihaonana, avokoa ireo ankolafy politika efatra, eny fa hatramin’i Andry Rajoelina aza, ary mbola samy nanamafy ny hanohy ny dinika amin’ity zoma 22 janoary ity aza. Ny hitadiavana vahaolana iraisana hamahana ny krizy no tanjona. Miainga amin’izay efa nifanarahana izany. Arakaraka ny mampiroso ny dinika izay anefa no maha saro-toerana ny Praiminisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny kolonely Albert Camille Vital. Amin’ny ankapobeny dia tsy mamaly ny fepetra takian’ny famahana olana amin’ny krizy rahateo ny fisiany. Satria, voalohany : fanapahan-kevitr’olon-tokana na ankolafy tokana no nanendrena azy, fa tsy tenierana. Faharoa : mbola mandalo raharaham-pitsarana eny anivon’ny Filankevi-panjakana ny maha ara-dalàna na tsia ny didim-panjakana 2009-1388 nanendrena azy ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny 20 desambra 2009. Na izany aza dia anisan’ny noraisin’ny GIC nihaona taminy tao Carlton omaly tamin’ny misandratr’andro izy. Somary kivikivy ihany ny soratr’endriny nivoaka ny trano. Na izany aza nolazainy fa misy ny fifampidinihina, tsy voatery hitovy ny hevitra fa ho hita eo. Ny fifidianana ihany no notsindriany mafy fa hany lalana hivoahana amin’ny krizy. Raha izao fizotry ny resaka izao anefa dia mety tsy ho ny kolonely Camille Vital no lehiben’ny governemanta hanatanteraka izany.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT