Politique

Praiminisitra Vital : Hiazo fanindroany an’i Toliara


  • Zoma 29 Janoary 2010

Nanaitra ny mponina ao Toliara, renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, ny nahitana fiara mitondra fanamafisam-peo nivezivezy manerana ny tanŕna, niantso ny ray aman-dreny sy ireo Tale sy lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana ho avy ao amin’ny Jardin de la Mer, iray amin’ireo toerana malalaka natao ho famorian’olona, indrindra ny mpitondra Fanjakana.

 

Mbola ny mpiantsoantso ihany no milaza fa hitohy ao Andabizy ny fihaonana ny tolakandro, fa hisy olon-dehibe ho avy ao an-tanàna, izay mbola mijanona ho ankamantatra ho an’ny mponina. Loharanom-baovao avy eto Antananarivo indray no milaza fa hidina any an-toerana ny Praiminisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny kolonely Camille Vital anio. Raha izay tokoa no izy dia fitsidihana faharoa hataony any Toliara, izay tanàna fiaviany rahateo, izany taorian’ny nanendrena azy ho Praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny Alahady 20 desambra 2009. Efa nanao fitsidihana nandritra ny roa andro tany an-toerana ny tenany ny 26 sy 27 desambra 2009. Eo amin’ny lafiny politika dia tafiditra amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana ho avy ity ny dian’ny Praiminisitra any Toliara ity. Azo heverina koa anefa fa hamafa ny fandalovan’i Monja Roindefo, Praiminisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teo aloha, sady filoha nasionalin’ny antoko Monima, tany an-toerana ny Sabotsy 09 janoary 2010, niarahabany nahatratra ny taona ny vahoakan’i Toliara tao amin’ny kianja Andaboly, ka nanolorany omby 12 ho nofon-kena mitam-pihavanana, koa ity dian’i Camille Vital ity. Azo heverina koa anefa fa te haneho amin’ny mpanohitra ny fitondran’i Andry Rajoelina ny manam-pahefana fa na tsy eto an-toerana aza ny filohan’ny FAT ary na hamita iraka any amin’ny faritra aza ny Praiminisitra dia milamina tsy misy ahiana ny tanàna.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT