Politique

Praiminisitra sy minisitra maromaro Nanao bemidina tany Toliara omaly


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Nanao bemidina tany Toliara ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa Ntsay Christian, izay nitarika mpikamban’ny governemanta maromaro omaly. Niara-dàlana taminy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena,

Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,… Teo ihany koa ireo olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Tonga nitondra sakafo ho an'ireo traboina sy fanampiana hanarenana ny fiainan'ireo hiverina hamonjy ny toeram-ponenany avy, raha ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora. Naneho fiaraha-miory amin’ny vahoaka traboina avy amin’ny 4 dia Atsimo Andrefana, Ihorombe, Menabe, Androy ny Praiminisitra. Nampahery ny vahoaka Malagasy iray manontolo, ary naneho fa tonga hijery ny fomba ahafahana manampy haingana ny vahoaka. “Betsaka ny ezaka efa natao, fa mbola mila fanampiana sy fanatsarana ny ivon-toerana fandraisana traboina hafa”, hoy io Lehiben’ny governemanta io. Hita tany an-toerana fahasimban'ny sekolim-panjakana ao Antaninarenina ka nanome toromarika ny FID ny Praiminisitra handray an-tanana ny fanamboarana ny sekoly sy hitady vahaolana avy hatrany momba ireo faritra tondra-drano. Isan’ny notsidihiny ny fokontany Kiembe Ambany ny Praiminisitra ary nijery ny fepetra rehetra hanarenana ny fiainan’ireo mponina any an-toerana, hoy ny serasera. Tsara ny manamarika, fa nanolotra fanampiana maro tao Toliara Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny talata teo, ka mba mety sady mitondra anjara biriky no mamafa izany ihany koa ny Fitondram-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT