Politique

Praiminisitra Solonandrasana Miala raha vao tsy lany ny lalàm-pifidianana ?


  • Zoma 23 Martsa 2018

Tsy mandry andro tsy mandry alina ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier amin’ny fitadiavana hevitra hampandaniana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana. Toa nanantena fatratra fa handeha araka ny tokony ho izy ny kajikajy rehetra hahafaha-mampandany mora fotsiny ilay lalàna.

Raha ny resaka mandeha dia ampanaovina iraka hampandany io volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana io izy, izay sady minisitry ny atitany rahateo. Mety hihozongozona indray ny toerany raha tsy vita io iraka goavana sy ady lehibe iankinan’ny ain-dehiben’ny fanjakana HVM io. Ho simba tanteraka mantsy ny kajy politika rehetra, indrindra fa ny fomba hifikirana amin’ny fahefana, raha toa ka hitsefotra izany. Midika ho faharesena goavana ho an’ny HVM io ary mety ho tonga hatrany amin’ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra sy na ny fanesorana ny filoha. Somary hendratra sy nanizingizina ny praiminisitra ny 19 martsa teo, izay efa nisian’ny savorovoro sy adihevitra be, fa tsy maintsy na tokony holaniana ny talata 20 martsa ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana ireo satria misy tetiandro tsy maintsy enjehina sy mila tratrarina. Ny harivan’iny dia nivoaka ny resaka momba ny fampiantsoana ireo solombavambahoaka ho eny Mahazoarivo ny maraina. Nandeha mihitsy ny resaka fa mahatratra hatrany 10 tapitrisa ariary isan’olona no nomena ny marainan’ny 20 martsa. Mbola nitohy teny Tsimbazaza ny resaka fampiantsoana depiote teny amin’ny sisintsisiny teny, ka nalaza indray nanomboka teo, fa niakatra hatrany amin’ny 30 tapitrisa. Nandeha anefa ny adihevitra isan-karazany ny takarivan’ny saika handaniana ny lalàna niafara tamin’ny tsangan-tanana hanemorana ny fandaniana ireo lalàna ka 70 no ho 68 ny isa, ary nandresy ny fanemorana. Ny HVM no misisika mafy amin’io, saingy izy ireo indray avy eo no nilaza, fa nandresy. Heverina fa nisy namadika tao anatin’ny HVM. Tsikaritra ho kivy sy maloka ny endriky ny praiminisitra taorian’iny noho ny mety ho fahadisoam-panantenana. Hiditra amin’ny andiany faha-3 anio zoma 23 martsa ary haharitra 12 andro. Malaza hatrany ny resa-bola. Handresy ve ny tolon’ny fanjakana amin’ity raharaha ity sa inona no hitranga ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT