Niteraka resabe indray omaly ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier momba ny fampiakarana 8% ny karaman’ny mpiasam-panjakana eto amintsika, araka ny fanambaran’ny filoham-pirenena ny takarivan’ny alatsinainy 30 aprily teo.
Tsy hay na mikorontan-tsaina ny praiminisitra na tsy mifankahazo ny resaka tany an-dapa na koa te hanakorontana saim-bahoaka tsotr’izao, fa dia tsy io taha nambaran’ny filoha io no nolazainy fa avo folo heny. Zava-dehibe ary fahasahiana ara-politika ary fihainoana indrindra indrindra ny feon’ny mpiasam-panjakana manerana an’i Madagasikara iny ezaka sy fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena ho 80% iny manomboka amin’ity volana mey ity, hoy izy. Mafy angamba ny tsindry eo amin’ny fanjakana, ka misambadidaka hatramin’ny vava avoaka. Tsy vao izao ihany koa anefa no nahenoana mpitondra miteniteny foana tahaka izao. Vao tsy ela akory ihany koa no notakian’ny depioten’ny fanovana ny fanadihadiana lalina ity praiminisitra ity noho ny raharaha kolikoly, izay midika fa mihamafy hatrany ny tsindry. Misy ny fanehoan-kevitra fa mety hampitonitony ny raharaham-pirenena ny fanalana azy, saingy sarotra ho an’ny filoha izany amin’izao toe-draharaha mafana izao ary mety raisiny ho vao mainka fahalemena.
Taorian’ny resabe momba iny tenin’ny praiminisitra moa, dia nisy ny fanintsiana nataon’ny seraseran’ny Primatiora nandiso ny voalazany, ka nambara fa 8% no tena izy fa tsy ilay 80% voateniny. Raha olon-kafa izany no nanao tahaka ireny dia ahoana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.