Omaly hariva dia tsy nitsahatra izahay tato amin’ny gazety Tia Tanindrazana no nangata-baovao teny anivon’ny fiadidiana ny primatiora momba ny praiminisitra any ivelany any.
Na ny tompon’andraikitry ny serasera na ny miandraikitra ny harofenitry ny primatiora dia samy tsy nisy nandray antso an-tariby na dia nisy naneno aza. Tsy te hiresaka amin’ny mpanao gazety ve sa misy inona afenina ? Ny tranga toy izany ihany no tsy mampandeha ny asan’ireny andrim-panjakana sy sampan’asa samihafa ireny. Tia afinafina ! Tsy tokony hanana zo hahafantatra ny toe-pahasalaman’ny praiminisitra izay mitondra azy sy andaniany vola ve ny Malagasy tsivakivolo ? Atoa Rakotomanana Honoré izay mpanolotsain’ny praiminisitra no nandray ny antso ary nanambara fa tokony hiandry am-pitoniana ny Malagasy. Matoa tsy misy vaovao avy any Frantsa dia milamina ny any izay. Na izy koa aza, araka ny nambarany, tsy manam-baovao. Dia mampaninona ny talen’ny seraseran’ny primatiora ny manao izay fanambarana izay ? Atoa Rakotomanana Honoré hatrany no manamafy fa sady manara-maso ny toe-pahasalamany ny praiminisitra Ravelonarivo Jean no manararaotra manao ny asany ihany koa. Izany no niantsoany ny talen’ny kabinetrany any Frantsa, hoy izy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.