Politique

Praiminisitra Ntsay “Tsy ekena ny fanakorontanana politika”


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Tanterahina ao Morondava nanomboka omaly ny Fikaonan-doha iraisam-paritra momban’ny fiarovana sy ny filaminana, izay eo ambany fiahian’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Hetsika lehibe izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano voalohany amin’ny vina nentin’ny Filoham-pirenena, dia ny fanarenana ny fandriampahalemana izany, hoy ny seraseran’ny fitondrana. Natao hifanakalozana sy handraisana ny soson-kevitra avy eny ifotony, entina hamahana ny olana isam-paritra, ka hatomboka ho an’ny Faritra Bongolava sy Melaky, Vakinakaratra, Menabe ary Atsimo Andrefana. Nomarihin’ny Praiminisitra ny tokony hananan’ny Malagasy rehetra ny kolontsain’ny filaminana ao anaty fitiavan-tanindrazana, ka hiarahan’izy ireo hiasa amin’ny rafitra efa napetraka hiandraikitra an’izany filaminana izany.
“Firenena mandala ny demokrasia isika ka mihaino ny vitsy an'isa ary mandray ny hevitry ny maro an'isa ihany koa. Tsy tokony hanaiky ny fanakorontanana ara-politika isika mba hahatongavana amin’ny fifidianana tomombana hisehoan’ny safidim-bahoaka”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niantso ireo tompon'andraikim-panjakana rehetra moa io lehiben'ny Governemanta io mba handray ny andraikitra manandrify azy avy ary hiasa ho an'ny tombontsoa ambonin'ny vahoaka hatrany. Isan’ny tena mampikolay eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny olan’ny tsy fandriampahalemana. Na an-tsaha na an-tànana olana be io, ary toa tahaka ny tsy dia misy mpiahy ny vahoaka. Ny sary hita matetika mantsy, dia henjana ny fampiasan’ny Fitondram-panjakana ny mpitandro ny filaminana rehefa hanakana sy handrava fanehoan-kevitra sy famoriam-bahoaka ara-politika, fa toa misy lesoka kosa rehefa any amin’ilay hoe: hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ny olona no zary lasa manao izay saim-patany eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana, ka antony iray miteraka fitsaram-bahoaka, kanefa voararan’ny lalàna io. Tao anatin’ity herinandro ity izao, dia tranga roa mitovitovy no niseho tany Ambatondrazaka sy tany Ankafotra Manalalondo, izay samy misy vahoaka manao fitakiana olona naiditra am-ponja noho ny fitsaram-bahoaka. Samy milaza fa niaro tena tamin’ny fanafihan-dahalo, niaro ny fananany,… kanefa dia izy ireo indray no migadra. Toa lasa rivotra mitsoaka ilay endri-pitakiana, ka tokony hodinihina sy hojerena akaiky ihany ny zava-misy sao hanahirana satria misy zavatra tsy milamina sy tsy itovian-kevitra eo anatrehan’ny lalàna sy fiarovan-tena. Isan’ny taratry ny tsy fahaiza-mitantana, ny olana ara-toekarena, ny fahantrana,… ny tsy fandriampahalemana miseho ankehitriny.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT