Praiminisitra Ntsay ho sahy hanao fianianana

Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra


  • Talata 16 Janoary 2024

Vita izany iny ny fianianan’izy 27 mianadahy minisitra ao anatin’izao

governemanta Ntsay Christian manaraka izao. Tsy hay moa hoe inona izany no zava-nanan-kasina nanaovan-drizareo fianianana tao fa toa sady tsy nisy Baiboly nitehenan’ny tanany ilany avy tao no tsy nisy heverina hoe zava-tsarobidy hafa hita maso nanaovany fianianana araka ny fomba malagasy mahazatra fa dia hoe nianiana, hono, izany izy ireo. Dia samy nifandimby nilaza ampahibemaso teo kosa aloha fa hikatsaka ny tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy, tsy hanao kolikoly, hiady amin’ny kolikoly sy ny tariny teo. Tetsy ankilany dia mba velom-panontaniana ihany ny mpanara-baovao hoe ary ilay praiminisitra ve izany anjely? Tena tsy nisy nampiahiahy mihitsy ve izany tao anatin’ny fotoam-piasan’io minisitra io tao anatin’izay 5 taona mahery naha praiminisitra azy izay nefa ilay firenena teo ambany fitarihany aza ity tongo-bakivaky sady maharary no maha menatra ary fantatr’izao tontolo izao tsianjery fa isan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ity tany ity ary isan’ireo firenena manana vahoaka noana maro indrindra ihany koa? Angaha moa tsy nandritry ny fotoana nitantanan’io praiminisitra io ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany mihitsy no nisian’ilay volamena nivadika vy? Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra koa, araka izany, ny fianianan’ity praiminisitra ity. Ho sahy izy ve sa tsia?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT