Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Tokony hiala aorian’ny fitsanganan’ny birao maharitra


  • Zoma 12 Jolay 2019

Aorian’ny fitsanganan’ny birao maharitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia tokony hametra-pialana ny praiminisitra sy ny mpikambana ao anatin’ny governemanta, raha ny fanazavana nentin’ny mpahay lalàna, Ranesa Fierena.

 

 

 

 Ny talata ho avy izao mantsy no hivory voalohany ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ary eo no handrafetana izay mety ho mpikambana ao anatin’ny birao maharitra. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa ny antoko politika manana ny maro an’isa no manolotra izay ho filohan’io andrimpanjakana io ary ara-demokratika dia ny filoham-pirenena no manendry izay filoha avy eo, hoy ny fanazavany. Nambaran’ity mpahay lalàna ity koa fa tokony hifandanja ny adihevitra atao eny amin’ity lapan’ny antenimieram-pirenena ity, satria ny lalàna no iandian-kevitra eny fa tsy voatery ho ireo manana ny maro an’isa hatrany no hampandany ny lalàna, fa mba henoina ihany koa ny hevitra ny sasany, hoy izy.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT