Politique

Praiminisitra iraisana Voailika ny zanak’i Fianarantsoa ?


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Am-perinasa ny birao fifandraisan’ny SADC. Ao amin’ny tranon’ny masoivohon’i Afrika Atsimo, etsy Ankorondrano ity birao ity izay vonjimaika hatreto, ary ny ambasadaoro afrikanina tatsimo, Mogheti Monaisa, no mitarika izany vonjimaika ihany koa.

 Omaly ny fivoriany voalohany, ary niantsoana ireo mpanao sonia ny sori-dalana hiroso amin’ny fampiharana izay voarakitry ny tondrozotra. Efa misy rahateo ny tetiandro voasoratra ka dia ny fanendrena ny praiminisitra avy hatrany no nimasoana omaly. Raha ny voalazan’ny tondrozotra dia sady tsy iray firohotana politika amin’ny filohan’ny tetezamita no tsy iray faritany fiaviana aminy, io praiminisitra io. Efa miha mazava ny amin’ireo vondrona sy antoko politika iray firohotana amin’i Andry Rajoelina, satria ankoatra ireo nanao “lobbying” nivoaka matetika tany Afrika sy Eoropa, eny tonga hatrany Etazonia, nandresy lahatra ny iraisam-pirenena mba hankato izao fitondrana izao dia eo koa ireo fifanarahana voasonia, toy ny nifanaovan’ny Dina Repoblikanina sy ny Ankolafy telo tamin’ny 12 septambra 2011, milaza fa anjaran’ny Ankolafy Telo ny Praiminisitra ka dia any amin’ny Ankolafy telo izany ny lakile amin’io. Fa eo amin’ilay resaka faritany fiaviana no mety ho sakana manaraka.

Mba tsy hampitarazoka ny raharaha ary koa hialana amin’ny adihevitra mandany andro dia tokony hanambara mazava ny faritany niaviany i Andry Nirina Rajoelina. Marina fa alarobia tsy miverina ity, izay raha ny fanirian’ny filohan’ny tetezamita dia anio 19 oktobra tontolo andro no handraisana eny amin’ny Le Paon d’Or Maibahoaka ny dosien’ireo kandida Praiminisitra hatolotr’ireo vondrona nanao sonia ny sori-dalana. Raha ny voalazan’ny fepetra lasitra voasonia ny zoma 14 oktobra 2011 ho fampiharana ny tondrozotra, dia manana hatramin’ny 01 novambra 2011 ny rehetra hanendrena io praiminisitra io. Tokony hazava, araka izany, ity resa-piaviana ity, satria efa voasoratra io ary nifaneken’ny rehetra fa anisan’ny fepetra hampiharina hifantenana io praminisitra io. Any amin’i Andry Rajoelina izany ny baolina.

Misy mantsy loharanom-baovao milaza fa Betsileo izy. Zafikelin’izany Ramarojoelina izany. Nanambady vazaha ary milevina any Ambalamanga Sahamadio Fandriana, Faritra Amoron’i Mania io dadaben’i Andry Nirina Rajoelina avy amin-drainy, Rajoelina Yves Roger, io. Mbola io loharanom-baovao io aza no milaza fa nisy fotoana saika hafindra aty Antananarivo ny taolambalon’io olona io fa toa tsy nanaiky ny tompon’Agnarandray. Koa mba hampazava ny resaka dia tokony hilaza mazava ny aminy i Andry Rajoelina. Fa raha izay tokoa no fipetraky ny tetiharana ka ampiharina ara-bakiteny izay voarakitry ny sori-dalana dia mazava fa tsy ho zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa izany ny ho praiminisitra eo. Nandritra ny fivoriana tetsy Ankorondrano omaly moa, ny ambasadaoro Mogheti Monaisa, dia nandroso tolo-kevitra mba ho olona avy amin’ny mpanohitra nefa olon’ny fisokafana, tony fihetsika io praminisitra io. Olona tsy miandany nefa mampiombona. Nambarany koa fa efa manana ny asany ny miaramila, ka ny afera politika dia an’ny mpanao politika.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT