Politique

Praiminisitra Ho fantatra rahariva ny solon’i Vital


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Araka ny tsiliantsofina omaly dia manaiky ny profesora Zafy Albert sy ny ankolafy tarihiny raha toa ka olona avy amin'ny mpanohitra no hotendrena praiminisitry ny marimaritra iraisaina.

Raha ity filazana ity dia mazava fa raha tsy i Beriziky Omer izay avy amin'ny firehana Zafy dia tsy maintsy ho avy amin'ny ankolafy Ravalomanana izany no ho lasa ao. Ny loharanom-baovao anefa dia fantatra omaly fa noho ny firaisankina eo amin'ny samy mpanohitra no haneken'ny profesora izay praiminisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana izay. Anisan'ny ambetin-tenin'ny Profesora matetika ny hoe tsy azo ekena mihitsy ny fanjakan-dRajoelina. Mbola heno hatrany ny anaran'i Beriziky Omer etsy sy eroa hatry ny omaly. Eo aminy sy ny olona natolotry ny ankolafy Ravalomanana, Manandafy Rakotonirina na Botozaza Pierrot izany no ho praiminisitra. Anio hariva eny Iavoloha moa no hanendrena izany araka ny voalazan'ny avy amin’ny fiadidiana ny filohan'ny FAT. Ho hita eo rahariva !

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT