Politique

Praiminisitra eto Madagasikara Tena ilaina marina ve ?


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Nisongadina hatrany teto amin’ny firenena ny olana momba ny fanendrena praiminisitra, ny fifanolanana sy fifandrafesana eo aminy sy ny filoha. Tsy mazava ny fanendrena azy ary rehefa tonga eo dia matetika lasa olana ho an’ny filoha raha zohiana ny tantara. Hatraiza ny fahefan’ny praiminisitra, ary tena ilaina tokoa ve ?

 

Tsaroan’ny rehetra tsara ny fifanolanana tamin’ny taona 2014 momba ny fanendrena, izay nampifanjevo sy santatry ny fahavakisan’ny adin’ny MAPAR sy ny HVM. Adihevitra goavana teny amin’ny antenimiera ny hoe izay vondrona parlemantera maro an’isa no manolotra ny anaran’ny praiminisitra, araka ny andininy faha-53 ao amin’ny lalàmpanorenana. Nitsangana ny ambara fa maro an’isa mpanohana ny HVM, izay tsy nanana na solombavambahoaka iray monja aza. Nitovitovy tamin’izany ny tany amin’ny taona 1993 nisian’ny fifanolanana nivaivay teo amin’ny praiminisitra Francisque Ravony sy ny filoha Zafy Albert tamin’ny fanendrena ny praiminisitra. Ny fahefana mifantoka betsaka amin’ny parlemanta na ny « régime parlementaire » no namaritra ny fanendrena praiminisitra tamin’izany. Ny filoha te hanendry an’i Emmanuel Rakotovahiny, saingy ny depiote kosa nisafidy an’i tompokolahy Francisque Ravony. Teo no nanomboka ny tantaran’ny fizarana fiara tsy mataho-dalana sy ny fanambazana ny depiote, ka nahazoany vato 96 tamin’ny 130 tao amin’ny antenimiera. Naharitra adiny 5 ny fanazavan’ny filoha Zafy Albert tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana toa nanaratsy ity praiminisitra ity tamin’izany. Teo ihany koa ny tantaran’ny praiminisitra Jacques Sylla sy Marc Ravalomanana namadihan’iry voalohany ny filoha tamin’ny raharaha 2009. Ny olona anisan’ny natokisany nahalala tsiambaratelo betsaka maro no namadika tao anatin’ny fotoan-tsarotra, izay anisan’ny ony lehibe nampikoa vetivety ny fanjakana Ravalomanana sy nampahomby ny fanonganam-panjakana. Ny praiminisitry ny tena izao no nidina teny amin’ny 13 mey nilaza fa tsaratsara aminao ny miala. Tsy azo hadinoina ny an’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy Monja Roindefo. Toa alahelon’ity farany ny nanesorana azy satria anisan’ny nitari-tolona sy nanao sorona ny tenany ny 7 febroary, izay loharano nahazoana ny fahefana. Tamin’ity fanjakana HVM ity, dia  gidragidra teo amin-dRajaonarimampianina sy Jean Ravelonarivo, izay nalana manta teo amin’ny sezany. Mihevitra ny tenany ho filoha kely tsy azo kitikitihina ve ny praiminisitra amin’ny ankapobeny rehefa tonga eo ka manomboka manangam-bovona sy mitandroka ny filoha ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT