Politique

Praiminisitra Beriziky Jean Omer Ny tondrozotra no arahina sy mibaiko


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Tontosa omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha, ny jeneraly Camille Albert Vital sy ny vaovao nisolo azy, Atoa Beriziky Jean Omer, na dia efa nampanahy ny maro ihany aza, toy ny tamin’ny fanendrena azy, ny fahatarana tamin’ny fanombohan’ny lanonana.

 Tao anatin’ny 5 minitra dia vita ny fanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta, dia niroso tamin’ny lahateny nifandimbiasana. Nisantatra azy ny jeneraly Camille Vital, nanao fanamiana miaramila sy ny samboady miaraka amin’ny mariboninahitra “Grand croix de 2è classe”. Tamin’ny ankapobeny dia lahateny niaro fihetseham-po no nataony, ankoatra ny fanakianany nivantana ny vondrona iraisam-pirenena izay ambarany fa tsy mahalala ny zava-misy marina aty Madagasikara ka maika hanasazy ny Malagasy lazaina fa mpanongam-panjakana nefa any ivelany lazaina fa tolona no ataon’ireo Afrikanina nanana tranga nitovy tamin’ny antsika. Fohy, nazava ary tsotra kosa ny lahateny nataon’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, nilazany fa lalana mampiverina an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna ny fampiharana ny sori-dalan’ny SADC.

Tsy misy andraso andraso, hoy izy, fa rahampitso (anio alakamisy 3 novambra) dia efa hanomboka ny fandraisany tsirairay ireo ankolafy politika nanao sonia ny sori-dalana amin’ny fakana ny hevitr’izy ireo avy sy ny anarana minisitra atolony avy. Nanao antso avo amin’ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana sy ny hafa ity tandapa vaovao ity, mba handray anjara amin’ny fampiharana ny tondrozotra izay nohamafisiny fa azo antoka fa hamerina ny firenena amin’ny rafitra ara-dalàna sy hitarika ho any amin’ny fampihavanam-pirenena. Nanao antso avo ho an’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina sy ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra koa izy, mba hanohana sy hanampy an’i Madagasikara amin’izao lalan-tsarotra diaviny izao. Nitafa manokana tamin’ny mpanao gazety izy sy ny jeneraly Vital ka nanampy fanazavana fa ny tondrozotra no arahina ary io no mibaiko antsika izao. Rehefa voatendry aho, hoy izy, dia tsy an’antoko n’iza n’iza, na fironana izatsy na zaroa, tsy an’ny Pr Zafy Albert, tsy an’ny filohan’ny tetezamita fa olon’ny Malagasy rehetra. Mikasika ny fanendrena minisitra dia nambarany fa farafahatarany amin’ny 17 novambra araka ny voalazan’ny tondrozotra no hamoahana izany. Ireo gadra politika dia hojerena amin’ny fotoana mahamety azy rehefa tafapetraka ny governemanta.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT