Politique

Pr Zafy Albert Tsy hanolotra anarana praiminisitra amin-dRajoelina


  • Alakamisy 06 Oktobra 2011

Tsy manaiky ny hitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita na koa handraisany andraikitra amin’ny fanjakana mpanatanteraka ny profesora Zafy Albert.

 Nahavita fahotana mahafaty teto amin’ny firenena noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny afera maizina maro toy ny «bois de rose» izay hitam-poko hitam-pirenena sy manerana izao tontolo izao mihitsy ny mpanorina ny TGV, araka ny fanazavany, ka tsy mendrika ho filohan’ny Malagasy. Nanamarinany ny fanambarany ny fisian’ny fanadihadiana notontosain’ny Global Witness teto Madagasikara ka nahavoatonona ny anaran’i Andry Rajoelina ho mpiray tsikombakomba amin’ireo mpandraharaha sinoa manondrana an-tsokosoko ny «bois de rose». Na izany aza dia mihevitra ny profesora fa azo atao kosa no manome toerana ny filohan’ny FAT ankehitriny amin’ny toerana parlemantera eny anivon’ny Kongresy na ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Manan-kambara momba ny fizaran-tseza ankehitriny koa ity filoham-pirenena teo aloha ity izay nilaza fa iarahana amin’ny Troika ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany ao anatin’ny tetezamita tena izy taorian’ny fanaovan-tsonia ilay tondrozotra fa tsy araka ny zava-misy ankehitriny. Araka izany dia tsy hanolotra anarana praiminisitra amin’izao zavatra ataon-dry zareo mihitsy izahay, hoy hatrany ny profesora. Mitaky ny fandravana tanteraka ireo rafitra mbola mijoro ankehitriny, ny famelana mody malalaka ireo sesitany ary ny famoahana ny gadra politika koa ny tenany.

Yves

Sary : Pr Zafy Albert

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT