Fanantenana be no napetraky ny olona tamin’ny vovonana fanelanelanana
manoloana izao raharaham-pirenena izao, hoy ny mpahailalàna iraisampirenena misotro ronono, Pr Raymond Ranjeva, satria mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena. Tsy iverenana ny kihana samihafa, hoy izy. Raha mijery iny vovonana iny ianareo dia ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny filohan’ny FFKM no tomponandraikitra sy lohany. Ny dika sy lanjan’ireo eto amin’ny firenena no jerena. 2 ihany, raha jerena ny lalàmpanorenana, no rafi-panjakana miankina mivantana amin’ny safidim-bahoaka. Ny filohan’ny repoblika sy ny antenimieram-pirenena. Izay ihany! Ny sisa tsy nofidiana mivantana fa an-tenatenany. Mitovy saranga sy lenta ny hasin’ny filohan’ny repoblika sy ny antenimieram-pirenena. Ny zava-nisy dia voatery nametra-pialana ny filoham-pirenena hilatsaka fanindroany. Ny filohan’ny antenimieram-pirenena sisa teo. Tokony ho filoham-pirenena nisolo toerana avy hatrany ny filohan’ny antenimieran-doholona ary tsy nila niandrasana fampiharana lalàna izany fa fahatsapana hoe izao no voasoratra saingy tsy izay moa no zava-nisy. Tsy iverenana izany satria mankarary ny fon’ny sasany saingy miala tsiny ny tena fa amin’ny maha mpampianatra dia tsy afaka ny hiala amin’izany fampianarana izany. Rehefa marina dia marina. Rehefa diso dia diso. Tsy misy tsoahiko na dia iray aza izay voalazako satria raha miala amin’izay ny hevitro dia very hasina tanteraka na amin’ny maha mpampianatra na amin’ny maha mpahailalàna na amin’ny maha olombelona. Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena teto ny hoe tafahaona hikaon-doha hamahana ny olan’i Madagasikara ny sehatra miisa 3 dia ny politika notarihin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, ny fifavahana notarihin’ny FFKM ary ireo manam-pahaizana na “intellectuel”. Mila fitsaboana ny firenena ary taratry ny aretin’ny firenena iny fifidianana farany teo iny. Isika rehetra izany izao dia sady tsaboina no hitsabo ity firenena ity. Inona no andrasantsika ny mpitondra? Isika rehetra no mila mahatsapa tena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.