Politique

Pr Raymond Ranjeva Ny toe-tsaina mihitsy no tokony hiova eto amintsika


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

Tsy maintsy atrehina ny olan’ny oniversite eto amintsika io, hoy ny Pr Raymond Ranjeva mpitsara iraisam-pirenena ary efa filohan’ny oniversiten’i Madagasikara teo aloha.

 Fony izahay nitantana ity oniversite ity, hoy izy dia natsangana ny GERM (Groupe d’Etude de Réflexion et de Mobilisation). Nandraisana ny lafim-piainana rehetra tao amin’ny oniversite io. Nofakafakaina tao daholo ny zava-drehetra mba nahazoana namantatra hoe : inona marina no andrasana tamin’ny tsirairay ? Ny tena marina, hoy izy, tsy fantatra ny ataon’ny tsirairay avy eny amin’ity oniversite ity. Nilana herim-po sy herin-tsaina anefa io zavatra natomboka io ka rehefa lasa ny tena dia najanona daholo izany rehetra izany ka nilona tamin’ny olana samihafa ny oniversiten’i Madagasikara. Raha ny fiheverako azy dia tokony horaisina daholo ny zava-manahirana rehetra dia anjaran’ny tompon’andraikitra eny an-toerana no mandrindra ny zava-drehetra satria izany no ananana fahefana politika eny amin’ny oniversite. Ka tsy misy olana tsy ahitam-baliny izany fa misy foana ny famahana izany ary io tsy handrasana an-dRanona na Ranona, fa avadika indray ny fanontaniana hoe : iza no manao ny inona ?

Eo amin’ny lafiny politika dia mbola mino aho, hoy izy, fa mbola hisy ny elanelam-panahy eo amin’ny samy Malagasy. Ny olana lehibe mantsy, hoy ny Pr Ranjeva Raymond, dia misy lafin-javatra telo : voalohany, tsy nisy fanangonana sy famakafakana ny zavatra niseho sy nisy. Tsy nisy famakafakana izany ka hoe izay nahomby hatevenina ary izay tsy nahomby dia jerena hoe inona no antony tsy nahombizany. Ny faharoa dia ny fomba fiasantsika. Tsy hoe tsy nety fa samy maka ho azy na ny Gasy na ny vahiny ka zary nifanipaka toy ny valala an-karona fotsiny ka tsy hita. Ary ny fahatelo ny zava-manahirana dia tsy manao fisainana hamahana ny olana isika fa olona mpijery sy mpitazana anjorom-bala fotsiny, ka miaina amin’ny hoe raha ho faty aho matesa rahavana. Ilay fisainana mihitsy no hovaina ka izay no ezahanay amin’ilay Komitin’ny fampiombonana, hoy izy. Ampiombonana ny saina amam-panahy hahita ny lalan-kizorana. Ampiombonana ny hery sy tanjaka hifampitsinjovana sy hifanohanana sy hifampitsarana amin’ny zavatra vita. Izay anefa midika fa tsy maintsy miova fenitra sy paika mahery vaika isika Malagasy, ka raha tsy tanteraka izay tsy misy fanantenana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT