Ny rako... ho fanavotana ny tanindrazako, hoy Ramose Lucien Botovasoan, ao amin’ny boky iray nosoratan’i R.P. Louis Deguise.
Manoloana ny faharavan’ny fandriampahalemana eo amin’ny fiarahamonina, tebiteby sy ahiahy iainan’ny olona andavanandro, dia nandray io lohahevitra io ny Pr Raymond Ranjeva sy ny laïka maro manerana ny Nosy, ka namoaka fanambarana mazava ho fifanairana, fifanentanana sy fifampitaizana. Isan’ny nivahiny tany Vohipeno nankalaza ny fanandratana ho Olon-tsambatra an-dRamose Lucien Botovasoa rahateo izy ireo. Mazava ny hafatra sy ny fanambarana nataony ny 15 aprily teo dia ny hoe: “Aoka izay ny rà latsaka”. Tsy tongatonga ho azy io, fa tena zava-dehibe sy mila saintsainina sy iainana, ary ny mpitondra sy ny mpanao politika indrindra indrindra, dia mila tonga saina eo anatrehan’izany. An-dàlana makany amin’ny savorovoro sy ny rà mandriaka ny Malagasy, raha mitohy izao gidragidra sy adilahy politika isan-tsokajiny izao. Ny fipoahana ara-tsosialy ihany koa mananontanina satria tsy zakan’ny vahoaka intsony ny hasarotan’ny fiainana. Manomboka mahazo vahana ny hetsi-panoherana ny fitondrana, ka na iza na iza sahy mitarika sy manetsika vahoaka eo, dia mety hahazo olona foana satria maro no toa miandry izany. Ny hisavorovoroan-kilatoana, hoy ny fomba fitenintsika, saingy savorovoro mizotra makany amin’ny tena korontana tsy hifankahitana ny zava-misy, raha mbola samy hifampiziriziry amin’ny heviny sy hifanao bemarenina na hifampidera hery eto. Efa lakolosy fanairana ny fanambarana tahaka ity nataon’ny Pr Raymond Ranjeva sy ny laïka maro manerana ny Nosy ity. Mba hisy hihaino ihany ve sa ho toy ny rano hatobaka an-damosin-gisa hatrany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.