Pr Ralison Roger

«Tonga ny fotoana tsy maintsy hitambarantsika»


  • Zoma 10 Janoary 2025

Simba ny firenena malagasy, hoy ny filohan’ny Firaisankinan’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita

teo aloha na ACS, Pr Ralison Roger. Mba manao antsoavo ihany, hoy izy, ny tenako. Andao hivondrona isika! Ianareo namana mpiara-mitolona, ianareo ao amin’ny Firaisankina, ianareo ao amin’ny Kolektifa, ianareo izay tsy ao anatin’ireny, ianareo izay mihevitra fa antoko politika ka tia tanindrazana, ianareo fiarahamonim-pirenena, ianareo olon-tsotra mahatsapa ny fahapotehan’ny firenena, ianareo raiamandreny tsotra dia ataonay fa tonga ny fotoana tsy maintsy hitambarantsika. Tsy misy hoe fanilikilihana io fa amin’izay fotoana izay ny hevitra iaraha-manapaka dia iarahan’ny be sy ny maro manapaka. Tsy hisy olona hisongadina manokana fa hitovy daholo rehefa tonga ao. Ho tombontsoan’ny firenena izay ho avoaka. Mba miteny ireo mpitondra sasany mampitahotra lava ireo ihany izahay. Efa ela no nanaovako ity tolona ity. Tsy dia mba matahotra an’izany aho. Ajanony izay fa ny vahoaka tompoko tsy azona ampitahorina. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Nampindraminy fahefana andriamatoa Andry Rajoelina. Fantany izany. Tokony hanatanteraka ny zavatra tadiavin’ny vahoaka izany andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Ny tafika zana-bahoaka. Tandroka aron’ny vozona. Tokony hiaro ny vahoaka koa izany ka raha ohatra voalaza ao anatin’ny lalàmpanorenana hoe afaka maneho ny heviny ny vahoaka dia haneho ny hevitray izahay rehefa izay no ilaina. Avelao izahay hivory raha misy fotoana tokony ivoriana! Ny anjaran’ny mpitondra fanjakàna sy ny tafika, indrindra, andriamatoa prefe dia hoe ahoana no hiarovana ireo olona maneho hevitra ireo? Ampy izay fampitahorana lava izay. Misy fetrany ny zava-drehetra. Efa tena zara raha miaina ilay vahoaka. Any avarabaratra any ny nosintsika efa misy lafo. Misy toerana any Nosy be efa tsy azo aleha sy voafefy satria efa misy tompony. Ireny ny volamena nivoaka sy ny namany. Avoahay ny mangarahara amin’ity firenena ity. Ho an’ny taranaka no hitolomanay fa tsy ho anay intsony. Famonoana firenena io fanaovana vatsy tsinjo sy ny namany io. Mpahaitoekarena ny tena. Mampianatra ny vahoaka ho kamo io. Lasa tsy miasa sy mamokatra intsony fa toloram-potsiny ny olona. Izany rehetra izany tsy maintsy iadiana ka manentana hatrany ny rehetra ho tonga maro eny amin’ny Arupe Faravohitra ny 17 janoary izao manomboka amin’ny 9 ora maraina fa hitady vahaolana isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT