Tsy fotoana hikorontanana eto amin’ny firenena intsony izao fa fotoana hisian’ny
filaminana ary heverina fa tomponandraikitra voalohany ny amin’ny hisian’izany filaminana izany ny eo amin’ny fitondram-panjakana, hoy ny Pr Ralison Roger, mpahaitoekarena no sady CST teo aloha, mivondrona anaty A.C.S na ny firahalahian’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita sy loholona teo aloha. Tokony handray andraikitra ny fitondrana, hoy izy, hijery izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka. Rariny sy hitsiny raha maneho hevitra ny vahoaka rehefa misy olana mahazo azy. Tsy tokony ho raisiny zavatra ratsy mihitsy izany fa tokony ho raisina hoe fanehoana avy amin’ny tsirairay avy izay tsy mety ka tokony hitadiavana vahaolana. Voasambotra io andriamatoa Razambozafy Cyril dia heverinay fa adidinay, indrindra, ho anay ACS, ny mitaky ny fivoahany raha toa ka tsy nisy heloka nataony. Tokony halalaka ny fanehoan-kevitra. Mpianatro andriamatoa Mahavitara Sylvestre. Fantatro tsara izy. Namolavola azy aho. Matoa izy neken’ny mpamatsy vola, ny banky iraisampirenena hiandraikitra io PRMP io tamin’ireny resaka COVID ireny dia hitany hoe manana ilay traikefa sy fahaizana ara-toekarena izany izy. Lany solombavambahoaka soamantsara izy na tsy nanao fampielezankevitra aza ary hita fa tena tian’ny mponin’i Vangahindrano. Nadoboka am-ponja any Antanimora nefa izy ka rariny izahay raha mitaky hoe avoahay izy mba hisitraka ny maha solombavambahoaka lany azy! Tokony averina aminy ny zony amin’ny maha solombavambahoaka manana «immunité parlementaire» na zo ho arovana azy mandritry ny 5 taona! Tsy idiranay ny ankoatran’izay. Isan’ny nanao sonia ny ravin-dalana na «feuille de route» ny HPM. Tadidintsika tsara tamin’izany fotoana izany fa nisy ny UNDD notarihin’ny filoha Zafy Albert. Ny TGV notarihin’ny filohany Andry Rajoelina. Ny TIM notarihin’andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny MDM notarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Ny Arema notarihin’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Ny HPM notarihiko. Nanasonia ny «feuille de route» saingy ny mampalahelo dia mbola tsy tanteraka izany hatramin’izao. Tsy maintsy atao ny hanatanterahana ny «feuille de route» izay mirakitra ny hoe ahoana no ahafahan’ny vahoaka malagasy isan-tsokajiny hifampidinika, hifanakalo hevitra hanarenana ity firenentsika ity, hametrahana rafitra tena mamaly tsara ny filàn’ny vahoaka malagasy sy mifanaraka amin’ny firenena malagasy. Tsy midika ho fanonganam-panjakana foana ny fitakiam-bahoaka. Ny olana dia mila mangataka alalana. Rehefa mangataka alalana amin’ny prefe ianao dia tsy mahazo foana. Tonga angamba ny fotoana hanamboarana ny lalàna rehetra hatramin’ny lalàm-pifidianana ary tsy vita nefa izany raha tsy amin’ny alalan’ny fikaonan-doham-pirenena akàna ny hevitry ny rehetra. Mampitandrina ny mpitondra, hoy hatrany ny tenany, fa ampy izay ny fanaovana tsinontsinona ny tombontsoam-bahoaka! Amin’ny maha tena lahimatoan’Antananarivo ahy no hijoroako amin’izay manomboka eto, hoy izy.
J. Mirija
Sary fanehoana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.