PR RALISON ROGER

Ahiana ho potika ny rafitra ara-toekarena eto amintsika


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Ahiana ho potika tanteraka ny rafitra ara-toekarena eto amintsika raha mitohy izao fahatapahan-jiro sy rano lavareny

izao raha araka ny fanehoan-kevitry ny mpahay toe-karena Pr Ralison Roger. Ny asa kely mba nisy aza mantsy raha ny nambarany dia efa miharava toy ny fandefasan’ireo orinasa sasany ny mpiasa ao aminy mankany amin’ny chomage technique vokatry ny tsy fahatapahan-jiro tsy miato. Ho an’ireo manao asa tenany indray dia nambarany fa maro tamin’ireo mpanao volo, mpanao soudure, mpivarotra trondron-dranomasina no efa nanakatona ny tsenany vokatry ny fatiantoka mihoampampana mahazo azy. Tsy nanome vahaolana momba izay olan’ny jiro sy rano eto amintsika izay intsony araka izany ity mpahay toe-karena iray ity. Efa ela izahay no nandroso soso-kevitra hoy izy saingy tsy nisy mpihaino. Avelao hozakain’ny mpitondra irery ny olany hoy izy amin’izay koa izy ireo hahatsapa tena tsara fa tsy vitany irery ny mampandroso ity firenena ity. Notsiahivin-dRalison Roger moa fa efa nisy ny tetikasa tsara nokarakarain’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny olana momba ny jiro eto amintsika ary tokony niodina nanomboka tamin’ity taona 2024 ity izany saingy tsy noraharahian’izao fitondrana mijoro izao.

Pati
Legende : Ralison Roger, anisan’ireo mpahay toe-karena eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT