Pr Mangalaza Eugčne Régis

> “Ny tena safidim-bahoaka marina no aoka hivoaka eo”


  • Sabotsy 21 Desambra 2013

Amin’ny maha-zanak’i Toamasina an’i Pr Mangalaza Eugčne Régis dia tao Toamasina ny tenany no nanefa ny adidiny omaly nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana ny solombavam-bahoaka.

Tamin’izany no nanambarany fa “fifidianana mendrika ny tanindrazana no ataontsika izao, noho izany ny tena safidim-bahoaka marina no tokony hivoaka eo”. Nomarihan’i Pr Mangalaza hatrany fa “milamina ny fihatrehan’ny Malagasy ny fifidianana noho ny ezaky ny CENI-T sy ny mpitandro ny filaminana, na izany tokony ho mailo ihany ny Malagasy sy ny mpifidy noho ny fisian’ireo olona zatra ny lalan-dririnina sy zatra ny manodina ny safidim-bahoaka, ratsy saina mitetika ny hanova ny safidin’ny Malagasy”. Nanamarika ity mpandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandida Dr Robinson Jean Louis ity, fa “mahare izahay fa misy mikotrika zavatra maloto any ho any ka mety hampisy olana an’ity fifidianana ity. Raha sanatria mitranga izany dia ambaranay fa tsy ho ekenay ary tsy maintsy hanohitra izany izahay satria ny lalàna mihintsy ny mandrara sy mametraka sazy mikasika izany”. Manara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana ao Toamasina ny Pr Mangalaza Eugène Régis, ary efa mametraka sahady ny tetik’ady sy ny paika rehetra hisorohana sy hanarahana ireo mety ho fanodinkodinana ny safidim-bahoaka Malagasy maika hiala ao anatin’ny krizy nampahantra azy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT