Pr Limby sy ireo kandidŕ naodina ny vatony

> Tsy manaiky hala-bato nampandaniana kandidŕm-panjakana


  • Zoma 27 Desambra 2013

Hangotraka ny tolom-pitakiana amin’ity herinandro ity ary ahiana ny hivadihan’izany ho zavatra hafa tanteraka, raha ny zava-misy amin’izao no zohina, raha tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny CENI-T sy ny CES.

Ao Toliara sy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia vonona hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka ry Pr Mandridake Elimberaza (Limby) sy ireo vondron’ny kandidà naodina ny vatony mba hampandresena ny kandidàm-panjakana. Anio maraina dia hanao valan-dresaka fahatelo amin’ny mpanao gazety ao amin’ny Anterimieran’ny varotra Toliara izy ireo izay tsy manaiky lembenana mihitsy manoloana ny hala-bato nitranga na tamin’ny fifidianana filoham-pirenena io, na tamin’ny solombavam-bahoaka. «Antsika i Toliara ary an’ny Malagasy tofoka krizy sy fahantrana i Madagasikara, ka aza matahotra ny ramatahoran’ny FAT», hoy Pr Elimbiraza, hentitra sady nahitsy fiteny, toa nanome toky sahady ny vahoaka. Nitodika tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana nahazo fandrahonana ny tenany «hajao ny asa nanendrena anareo ho tombontsoam-bahoaka, fa aza matahotra ramatahora izany ary sahy mijoro ho tombontsoam-bahoaka», hoy hatrany i Limby.

 

 

Niaiky fisian’ny hala-bato

 

 

Ny ao Toliara dia manana porofo ry Limby raha ny filazany nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety nataon-dry zareo ny sabotsy 21 desambra teo, satria ny tompon’andraikitry ny  CED Toliara no nilaza fa nisy ny hala-bato ary efa fantatra ny anaran’ny nikotrika izany. «Mitaky ny mangarahara izahay. Mba hahamarim-pototra ny fitakiana dia efa naka vadintany sy nitety Fokontany nanaporofo ny fisian’ny hala-bato», hoy i Pr Napetoke, «mandataire»-n’ny kandidà Robinson Jean Louis. 

Tsy ny distrikan’i Toliara I-II ihany no nahitana hosoka sy hala-bato avo lenta, fa ny faritra Atsimo Andrefana iray manontolo sy ny tapan’ny atsimon’ny Nosy iny, raha ny tati-baovao voaray, toy ny tany Morombe, Tolagnaro, sns. Nosandaina vola ireo mpifidy nandritra ny androm-pifidianana mba handatsa-bato ho an’ireo kandidam-panjakana. Nomena vola ihany koa ireo tompon’andraikitry ny biraom-pifidianana, mba hameno ireo biletà tokana tsy feno mba hampandresena ny kandidàm-panjakana.

Raha ny tatitra voaray hatrany dia nametraka fitoriana eny anivon’ny CES ireo vondrona kandidà ireo miaraka amin’ny porofo rehetra mikasika ny fanomezana vola, fanaovana fampielezan-kevitra ny andron’ny fifidianana ary ny fividianana olona handatsa-bato ho an’ny kandidàm-panjakana. Fanontaniana no apetraky ny mpanara-baovao : “efa manao ny asany ve ny CENI-T mba hahafantarana ny tena zava-misy marina amin’ireo toerana samihafa nahazoana fitarainana ?». Raha vantanina ny resaka dia mandrahona hidina an-dalambe ireo tsy faly ka hiteraka krizy vaovao indray raha tsy mahazo valiny mahafapo amin’ny fitakiany ! Mangataka ireo vondron’ny kandidà ny hamerenana ny fifidianana maloto farany teo iny mba hisian’ny tena fitoniana sy hivoantsika marina amin’ny krizy.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT