PR JOSEPH

« Tsy haharitra intsony izao Fitondrana izao »


  • Zoma 09 Mey 2025

Naneho ny heviny indray Pastera Joseph, mpandinika raharaham-pirenena no sady

mpanompon’Andriamanitra manoloana ny zava-misy lalovan’ny Firenena ankehitriny. Nambarany fa tena tsy milamina intsony ny firenena. Misafotofoto tanteraka hoy izy ary tsikaritra ho mizotra mankany amin 'ny faharavan ' ny fitondrana ny zava – misy. Diso manjaka loatra hoy izy ny kolikoly sy ny fitiavan - tenan 'ny mpitondra sy ny mpitsara na hatrany amin 'ny fifidianana izany na eo amin 'ny lafiny fanagadrana olona izay mijoro amin 'ny fahamarinana miaro ny Tanindrazana ka anisan’ireny ny fiarovana ny Base Toliara mba tsy ho azo trandrahana ohatra, satria mitera - doza mahatsiravina. Araka ny tenin 'Andriamanitra voasoratra ao amin 'ny (Hosea 4 : 3) izany manao hoe : ary noho izany dia mitomany ny tany, ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi - dia sy ny voro – manidina. Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa. Ny mahakasika ny ain ' olombelona moa dia tsy hay ho lazaina intsony hoy Pr Joseph fa dia mazava ny voalazan ' ny tenin ' i Jesosy araka ny (Matio : 16 , 26) manao hoe : Fa inona moa no soa ho azon 'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen 'ny olona ho takalon 'ny ainy ? Eo anatrehan ' izany rehetra izany, dia tsy haharitra intsony izao fitondrana izao, hoy Pr Joseph satria tsy mahaleo tena ny mpitsara fa mandray baiko avy amin 'ny mpitondra. Anjaran 'ny mpitondra sy ny mpitsara sisa no mandinika vokatr’izany hoy izy. Notsindriany moa fa fanjakan 'ny fahalovana sy ny fitiavan - tena izao mijoro izao.
Pati
Legende : Ny Pr Joseph !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT