PR JOSEPH- RESAKA HALA-BATO

« Tsy mety ny mifaly amin’ny tsy fahamarinana »


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena eto amintsika Pr Joseph.

Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny tenany omaly indrindra fa ho an’ireo kandida tsikaritra ho efa manao arosazy sahady nefa mbola tsy nivoaka akory ny vokatra ofisialy. Tsy mety hoy izy ny mifaly amin 'ny tsy fahamarinana, fa miara -mifaly amin 'ny fahamarinana kosa, araka ny tenin’i Tompo ao amin’ny Korintianina I, 13:6. Miantso ny CENI sy ny HCC mba hanaja ny fahamarinana araka izany Pr Joseph. Tsara raha hatao aloha ny fampitahana, izay vao mamoaka ny voka- pifidianana vonjimaika mba hisorohana ny ady sy korontana eto Madagasikara hoy hatrany izy. Aoka isika mba hianatra ny nataon 'ny tao Afrika Atsimo, izay niaraka nanao fifidianana andro iray tamintsika, ka ny antoko mpanohitra no nahazo ny maro an’isa, kanefa dia nilamina tsara, ary efa mizotra amin 'ny fifampidinihana ny hampandrosoana an ' i Afrika Atsimo ry zareo any ankehitriny.
Nangonin’i Pati
Legende : Pr Joseph matahotra ny mety ho famaizan’Andriamanitra ny firenena manoloana ny tsy fanajana ny fahamarinana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT