PR JOSEPH

« Mila mailo amin-dRajoelina


  • Zoma 14 Novambra 2025

sy ny frantsay ny fitondrana »

Tsikaritra ankehitriny fa tena manao ny asany ny fitondram - panjakana izay tarihin ' ny filoham - panjakana ny Kolonely Randrianirina Michael hoy Pr Joseph mpanompon'Andriamanitra. Etsy andaniny anefa, dia misy ihany ireo tsy faly ny amin ' izao fanovana rafitra izao, dia tsy iza fa ny Frantsay izay tsy faly ny amin 'ny fanenjehana ireo olony, dia i Andry Rajoelina sy ny forongony izany, ka tokony hahamailo hatrany hoy izy. Heverina fa tsy hipetrapetraka fotsiny amin ' izao i la Frantsa miaraka amin - dRajoelina, fa mety hitady hevitra hafa izy ireo hahafahany hamono anao rehefa tsy matiny tamin 'ny alalan ' ireny fampiasana volabe 2.000.000.000 Ariary sy basy ireny ianao Atoa filoha Michael, ka dia mety hitady hevitra hafa amin 'ny alalan 'ny sakafo izy ireo sanatria, koa raha sendra ka manasa anao mpitondra fanjakana ankehitriny ny filoha Frantsay Emmanuel Macron, dia aza mandeha makany ; ary raha tsy maintsy ho any aza ianao Atoa filoham - panjakana Randrianirina Michael, dia ilay tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny (Ohabolana, 23 ; 1 - 3) no mby ataovy ao an - tsaina mba hahatonga anao tsy ho tratry ny velampandrika, fa hoy ny voasoratra manao hoe : Raha mipetraka hiara - komana amin 'ny mpanapaka ianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao, ka andraso antsy ny tendanao. Raha dia liana loatra ianao, aza mitsiriritra ny hanim - piny, fa hani - mamitaka izany. Koa mitandrema tompoko, ary aoka ho mailo hatrany, satria ity misy ohatra kely hifampizarana ho antsika. Raha misy zazakely ve nitsetsitra bonbon sucette, ka nesorina teny am - bavany ilay bonbon, moa tsy ho tezitra va izy, ka tsy hitaraina amin 'ny Reniny ? Dia toy izay koa i Andry Rajoelina 8 cm, tsy maintsy nitaraina tamin 'ny Reny malalany izy noho ny fahatapahan 'ny fihinanany. Noho izany dia, tsy hipetrapetraka fotsiny amin ' izao izy ireo, koa mitandrema tompoko.
Pati
Légende : Pr Joseph !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT