PR JOSEPH

« Mametra-pialana no mety amin’ny Filoha Rajoelina ! »


  • Alakamisy 02 Oktobra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny fikasana hanangona CV

ho an'izay olom-pirenena mahay sy mahavita nanaovan'ny Filoha antso avo ny Pr Joseph izay raiamandreny ara-panahy no sady mpandinika ny raharaham-pirenena. Ny tenin ' Andriamanitra voasoratra ao amin 'ny Mpitoriteny 3 : 1 no namehezany izany izay manao hoe : Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin' ny lanitra. Koa araka izany tenin ' Andriamanitra izany Atoa Andry Rajoelina, matoa tonga amin ' izao fitakiana maro lafy izao ny vahoaka Malagasy izay miha mitombo isa isan ' andro manerana an ' i Madagasikara, dia hinoana sy heverina fa fahatanterahan ' io tenin ' Andriamanitra etsy ambony io. Tsy tokony handany andro hiantso olona hanatitra CV ho any aminao intsony ianao handrafitra izany Governemanta vaovao izay heritreretinao ho hatsangana izany, satria tapitra ny fetra hitantananao ny firenena Malagasy ! Koa antso avo no hataoko aminao Atoa Andry Rajoelina : mametraha fialana ianao fa ampy izay 16 taona nitondranao an ' i Madagasikara izay, izay hisaorana anao tamin ' izay rehetra vitanao. Averiko farany tompoko, ampy izay, fa mametraha ianao fialana ! Ary manao antso avo ho anao ihany koa aho, ilazao Atoa loholona Jeneraly Ravalomanana Richard mba hampitsahatra an ' izao " hery famoretana " ataonareo amin 'ny vahoaka Malagasy izao, izay efa tena tsy rariny intsony, ary tena mihoa - pefy . Hatramin 'ny mpanao Gazety, Eny, hatramin ' ireo ankizy kely sy ny zaza menavava aza dia hiharan 'ny hantsojay sy sempotry ny lacrymogene avokoa, ny maty sy ny maratra moa tsy hita holazaina intsony. Koa raha mbola mikiry biby sy mampahory ny vahoakan ' Andriamanitra toy io ianao Atoa Andry Rajoelina, dia hirehitra aminao marina dia marina tokoa ny fahatezeran ' Andriamanitra, ka hampiasa ireo firenena mikambana Izy, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Ezekiela 32 : 3 - 4) manao hoe : Izao no lazain ' i Jehovah Tompo : Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin ' ireny amin 'ny haratoko ianao, Dia hatsipiko eny an - tanety ianao ary hariako any an - tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro - manidina rehetra, ary homeko hivokisan 'ny bibidia rehetra ny tenanao.
Pati
Légende : Tsy tara mihitsy Pr Joseph manaraka akaiky ny raharaham-pirenena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT