PR JOSEPH

Hafahafa ilay mikaton-trano nataon’ny filoha roalahy


  • Zoma 25 Aprily 2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

dia naneho ny heviny mikasika ilay resaka mikaton - trano nataon 'ny roa tonta, izay tsy azon ' iza na iza natrehina ny andron 'ny Alarobia 23 Aprily 2025 lasa teo ny Pastera Joseph. Tena mampiheritreritra ilay zava – misy hoy izy satria raha tsiahivina ny tantara, araka ny re dia ny 23 Aprily 1895 no niditra an-keriny teto Madagasikara ny tafika frantsay tao amin 'ny moron - tsirak ' i Mahajanga, izay fotoana voalohany nanjanahan 'ny frantsay an ' i Madagasikara ! Koa raha dinihina iny fivorian - dRajoelina sy Emmanuel Macron nikaton - trano tsy azo natrehana iny hoy hatrany izy dia nisy fifanarahana manokana nataon 'ny filoha roa tonta hanamafisana indray ny fanjanahan ' ny frantsay an ' i Madagasikara tao amin 'ny mangingiana tao. Ekena fa tsy nisy nahita izay nataon - dRajoelina sy Emmanuel Macron isika, fa kosa hinoana sy heverina fa Andriamanitra an-tampon' ny loha no nahita ny nataon ' izy ireo tao, araka ny teny izay voasoratra ao amin 'ny (Daniela, 9 ; 27) manao hoe : ary hanorina fanekena ho herinandro amin 'ny maro izy sy hampitsahatra ny fanatitra alatsa - drà sy ny fanatitra hafa hatramin 'ny an-tsasaky ny herinandro, ary amin 'ny elatry ny fahavetavetana no hiavian 'ny mpandrava hatramin 'ny fahafonganana voatendry izay ahidina amin 'ny mpandrava. Eo anatrehan’izany hoy hatrany Pastera Joseph dia, tokony handinika ny Filoha Andry Rajoelina, sao satria ho avy aminy ny fahatezerana lehibe araka ny tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 24 ; 48 - 51) manao hoe : fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe : Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin 'ny mpimamo, dia ho avy ny tompon ' izany manompo izany amin 'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin 'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahany roa izy ka homeny anjara any amin 'ny mpihatsaravelatsihy ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha - nify.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Pastera Joseph mpandinika fiaraha-monina sady mpino !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT