Pr Joseph

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony


  • Alarobia 06 Mey 2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Somary nahabe resaka sy nampimenomenona an ' Atoa Milavonjy Philobert sy ireo mpomba ny fitondrana Rajoelina ireny fisamborana an ' i Naivo Raholdina ireny, ka nilazan ' izy ireo fa tsy rariny izao fisamborana hatao amin ' ingahy Naivo Raholdina izao, fa angaha izy nanao ratsy ? Ny fananany aza ve efa tapitra sy nodorana, izy aza nanao asa soa sns... Heverina fa fahadisoana lehibe ny fitanisanareo mpomba an ' i Naivo Raholdina izany rehetra izany, satria tsy ampahafirin 'ny fananan 'ny filoha Marc Ravalomanana izay nopotehinareo sy nodoranareo raha ny fahavoazana izay nahazo an ' i Naivo Raholdina. Etsy andanin ' izany dia hitan ' Andriamanitra ary tsy niafina teo anatrehany ny fanenjehana sy ny fampiasan ' i Naivo Raholdina sy ny fitondrana Rajoelina an ' ireo zandary nanao hery famoretana an ' Atoa filoha Marc Ravalomanana sy ireo niaraka taminy nandritra ireny hetsika fotsy tamin 'ny taona 2023 ireny. Noho izany dia tsy tokony himenomenona sy hanome tsiny be fahatany hianareo forongon - dRajoelina, satria hoy ny voasoratra ao amin 'ny ( Galatiana, 6 ; 7 ) manao hoe : Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin 'ny olona no hojinjany. Koa eo anatrehan ' izany, mba tsy hahatonga ny fisamborana sy ny fampidirana am - ponja anareo fitondrana Rajoelina sy ny forongony hitohy, dia tanteraho ny sitrapon ' Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Matio, 5; 25 - 26 ) manao hoe : Hoy Jesosy : Mihavàna faingana amin ' ilay manana ady aminao, raha mbola miara - dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin 'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin 'ny mpamatotra, ka hatao ao an - tranomaizina ianao. Lazaiko aminao marina tokoa : Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambaram - pandoanao ny variraiventy farany indrindra. Ety ampamaranana moa hoy Pr Joseph dia manafatra antsika Jesosy ny amin'ny hampitsaharana ny fireharehana sy ny fiavonavonana, mba tsy hahatonga ny firehetan 'ny fahatezeran ' Andriamanitra tahaka izay nahazo an ' i Moaba, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Isaia, 16 ; 6 ) sy ( Jeremia, 48 ; 7 ) manao hoe : Efa renay ny fiavonavonan ' i Moaba, fatra - piavonavona loatra izy, dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa - bavany ary ny fibedibediny foana. Fa noho ny nitokianao tamin 'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT