PR JOSEPH

« Aoka tsy hiandany amin’ny mpangala-bato ny CENI sy ny HCC »


  • Talata 04 Jona 2024

Ao anatin ' ny fiandrasana ny voka - pifidianana solombavambahoaka isika eto Madagasikara ankehitriny,

izay voalaza fa hivoaka amin 'ny datin’ny 08 Jona na 10 Jona ho avy izao ny vokatra vonjimaika . Tsy nitazam-potsiny ny Pr Joseph manoloana izany fa manao antso avo amin’ny CENI sy ny HCC mba tena hizotra amin ' ny fahamarinana ka tsy hiandany amin 'ny mpangala – bato izy ireo. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena, hoy ny Ohabolana : 14 – 34 raha ny nambarany. Aza adino hoy izy fa ny tsy fahamarinana tompoko dia faka mangidy mitsimoka hampikorontana araka izay voasoratra ao amin 'ny Hebreo 12 - 15 ; koa raha avela hanjaka eto ny tsy fahamarinana dia tsy hisy firenena handroso izany mihitsy. Ary aoka ho fantatsika, fa matoa ireo FFKM izay olom - boahositr 'Andriamanitra no niala tsy nandray anjara tamin 'ny fanaraha - maso io fifidianana ho solombavambahoaka io, dia noho io fanjakan 'ny tsy fahamarinana sy ny fahalovana io, izay heverina fa Andriamanitra mihitsy no nanala azy ireo tsy handray anjara tamin 'ny fanaraha - maso izany . Manoloana izany dia handeha isika tena handeha amin 'ny fahamarinana, fa tsy misehoseho foana ireny fahamaizan 'ny birao misahana ny fifidianana tao Tsihombe sy ny SRMV tao Tsiroanomandidy ireny. Namaranan’ny Pr Joseph ny teniny ny hoe : Koa samia mandinika isika, fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny Apok : 22 11 - 12 manao hoe : Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT