Pr Joseph

« Aoka hampanjakaina ny fihavanana sy ny firaisankina »


  • Zoma 31 Mey 2024

Tsy mety mangina ny Pr Joseph manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny.

Taorian’ny fanentanana nataony mikasika ny tokony handraisan’ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina afak’omaly alarobia 29 mey dia naneho ny heviny indray ny tenany omaly. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny fahavitan’ny fifidianana soa aman-tsara saingy miantso ny vahoaka Malagasy rehetra kosa ny tenany mba hampanjaka ny fihavanana sy ny firaisankina eo ampiandrasana ny voka-pifidianana izay nataontsika. Mihezaha mitady fihavanana amin 'ny olona rehetra ary fahamasinana ; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo hoy izy araka ny voasoratra ao amin’ny . Hebreo, 12 :14 - 15. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin 'ny fahasoavan ' Andriamanitra ; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro. Hambara izany, satria mety hisy ireo kandidam-panjakana tsy hahatanty ho resy ka sanatria ho halaim-panahy hanao herisetra, tahaka izay niseho tetsy Tsarahonenana nandritra ireny propagandy ireny ! Tsarovy fa nisy fotoana hianareo mpomba ny fitondrana nilaza tamin ' ny antoko TIM ny hoe : 6% vitsy an’isa ; koa ankehitriny raha ho hafindran ' Andriamanitra amin ' izy ireo ve ny maro an’isa, araka ny tenin ' i Jesosy Kristy izay voasoratra ao amin 'ny Lioka 12 : 32 manao hoe : Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana, dia tsy ho zakanareo ve, sa hiady amin ' Andriamanitra hianareo ? Heverina kosa fa efa ampy izay fahoriana sy fijaliana nahazo ny vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana amintsika izay hoy izy ka aleo hanjaka ny fahamarinana.
Nangonin’i Pati
Legende : Pr Joseph, manaraka hatrany ny fiainam-pirenena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT