Pr Jonah Ratsimbazafy

Ny Malagasy ihany no


  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

misakana ny fandrosoana eto Madagasikara"

Niala tamin'ny fahanginany i Pr Jonah Ratsimbazafy manoloana ny fanehoan-kevitry ny Malagasy sasany, manaratsy ny nanaovan'ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely Michael Randrianirina kabary tamin'ny teny Malagasy tamin'ny fivoriambe faha-81 ny Firenena Mikambana tany New York ny herinandro lasa teo. Nanao ranty manokana i Pr Jonah Ratsimbazafy nilazany ny heviny fa ny Malagasy ihany misakana ny fandrosoana eto Madagasikara. "Tsy ho resahiko intsony ny toe-tsaina ory hava-manana efa raiki-tampisaka amin'ny olona izay na tsy resahina aza dia saika iainana eny amin'ny fiarahamonina sy hatrany am-piangona mihitsy aza fa tsy resahina fa hita eny foana. Ankoatr' izay koa ny tsy fahaizana mba mankasitraka fa ny manome tsiny lava sy malaky dia malaky mahita ny zavatra tsy mety fa jamba kosa raha misy mba zavatra tsara vita". Mikasika iny fandraisam-pitenenana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana iny dia nanipika mazava i Pr Jonah Ratsimbazafy : "Marina fa iraisam-pirenena ilay fihaonana ary nisy ny niteny frantsay sy teny anglisy ho an'ireo zanatany anglisy. Ireo rehetra ireo anefa samy nisy mpandika teny avokoa ho an'izay tsy mahazo teny frantsay na teny anglisy. Ary ny delegasiona Malagasy koa dia efa nivonona handika ny lahatenin'ny Filoha tamin'ny fiteny vahiny, ary efa fantatry ny Ambasadaoro Lantosoa Rakotomalala tsara izany ka tsy nisy olana". Notohizany ny fanazavana fa "Tsy misy mihitsy vahiny nanakiana hoe : tokony ho tamin'ny teny Anglisy na Frantsay no nitenenan'ny Filoha Malagasy. Matoa mbola nisy olona nijanona nihaino ny Filoha teo dia satria nisy fandikana teny tamin'ny nahazoan'ireo olona izany tao". Teo indrindra no nanaovan'i Pr Jonah Ratsimbazafy fanamarihana hoe : "Jereo anie fa Malagasy ihany no manankihana ny Filohany ho vendrana sy tsy mahalala ny tokony ho ataony e !" Loza be mihitsy aza angamba "Raha nataon'ny Filoha tamin'ny fiteny antandroy ny lahateniny. Angamba nisy Malagasy sahy nanoratra tany amin'ny lehiben'ny Firenena Mikambana mihitsy hoe : Esory io Filoha(nay) Malagasy io fa manala baraka anay sns". Raha vitan'ny mpandika teny moa no nandika ilay fiteny antandroy amin'ny teny frantsay sy anglisy dia inona no olana ? Ny hafatra fonosiny no zava-dehibe. "Isika izany eto dia satrin'ny sasany aza hisy tantara ratsy nitranga tany saingy niaro ny delegasiona Malagasy ny Mpahary tamin'ny diany tany dia tsy nisy izany ary tafaverina soamantsara an-tanindrazana avokoa izy ireo" hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka, filohan'ny GERP (Groupe d'Étude et de Recherche sur les Primates de Madagascar) ity. Teo ampamaranana ny ranty nataony no nampahatsiahy i Pr Jonah Ratsimbazafy fa : "Ny an'ny olona dia tsodrano no atao amin'ny Filohany hiatrika fihaonambe iraisam-pirenena toy ireny fa ny an-dRamalagasy sasany milaza ho tia tanindrazana kosa dia ompa sy ozona no tiany ka ho afa-baraka hanova tantara be eto". "Mampalahelo ilay izy fa izay moa no zava-misy", hoy izy.
Nangonin'i Jean D.
Pr Jonah Ratsimbazafy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

Hijery ny tohiny
FTT