Politique

Pr Jonah Ratsimbazafy «Fihatsaram-belatsihy manara-penitra no misy eto»


  • Zoma 30 Jona 2023

Tsy ho ela dia ahare sy ahita isika fa maro ireo olona miseho ho manohana ny fitondrana sy ny filoha ireo no hiteny ny

tsy mety ataon'ny fitondrana ankehitriny, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Pr Jonah Ratsimbazafy. Fomba efa fanao sy fahita moa izany eto Madagasikara, hoy izy. Toy ny hoe olona tsy tao anaty fitondrana izy ary miseho fa izy no anjely tao. Mety hisy hatramin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana ireo izany fa tena ho hafa mihitsy ny fomba fanehoan-keviny. Ohatry ny hoe izy no olona tena nahatsapa ny fahorian’ilay vahoaka. Eto aho dia te hiteny hoe angony avokoa izay sary sy feon'ireny olona ireny amin’izy anatin’ny fitondrana mba ho porofo amin’ireny tanalahy sy tanavavy ireny. Hitan'ireo BIANCO Kristianina tsara mihitsy izao zavamisy eto amin’ny firenena izao fa ilay trondro kely ihany no hitanareo. Mandry ve ny feon'ny fieritreretanareo tsy sahy mijoro amin’ny marina. Rehefa miresaka aminay aty ivelany ianareo namana ao ireny dia miteny ny marina ihany. Koa maninona raha tsy izao no mampiseho ilay fahamarinana? Matahotra ny aina ve? Mamy ny vola sy ilay toerana ve? Fa angaha ny ainay tsy misy vidiny? Misaotra betsaka anareo aho raha voavakinareo fotsiny ity hafatro ity, hoy hatrany izy, sady nilaza fa fiatsaram-belatsihy manara-penitra no misy eto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT