Politique

Pr Harimalala Joseph “Mahaiza isika Malagasy mifidy”


  • Talata 27 Jona 2023

“Mahaiza isika Malagasy mifidy, fa hoy ny soratra masina : Fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena ivelan'ny rahalahinao ianao,

izany hoe raha mbola manao kitoatoa isika mifidy ireo hafa firenena, dia mbola zava-doza noho izao no hahazo antsika, mbola hitombo ny fanapahan-doha sy ny fangalarana voamaso, hitombo ny tsy fihinanan-kanina ary hanjakazakan'ny Frantsay isika ary tadidio fa matoa nataon'ny Frantsay izay nanesorana ny filoha Ravalomanana tamin'ny Fitondrany dia mba hitsetsefany ny harem-pirenena Malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Pr Harimalala Joseph. Taiza, hoy izy, no mbola nisy volamena nivadika vy? Taiza no nisy volamena tapitra aondrana ary izao indray dia hoe: hanaovana vola dimampolo ny volamena? Nilaza ny tenany, fa efa nahita izany isika, dia tsy tokony hifidy filohampirenena hafa fiaviana. Olona Zanak’i Gasikara, tantsaha, izany no tokony hanankinantsika ny safidintsika. Mampalahelo ny nahazo ny Malagasy ka dia mitodika amin'ireo mpitondra fanjakana noho izany ny Pr Harimalala Joseph, mba hieritreritra sy handinika fa leo ny vahoaka Malagasy, ho avy ny ampamoaka, raha ny nambarany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT