Politique

Pr Ange Andrianarisoa “Tsy mbola mizotra amin’ny fifanarahana politika isika”


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Mitana ny teniny ny antoko politika Arema, hoy ny sekretera nasionaly lefitra, Pr Ange Andrianarisoa, hoe tsy maintsy hanana kandida amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny firenena.

Tenin’ny filoha mpanorina ny antoko, Didier Ratsiraka, izany tamin’ny fankalazana ny faha 38 taonan’ny antoko tao amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina, hoy izy. Manana kandida izahay noho izany, manomboka amin’ny filoham-pokontany hatramin’ny filohan’ny repoblika. Mbola tsy niova fotokevitra hatramin’ny taona 1976 hatramin’izao ny Arema. Nanome tolo-kevitra ny CENI dia ny 9 novambra mikasika ny datim-pifidianana fa miandry isika ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Izahay tato amin’ny Arema dia nangataka ny sekretera nasionaly, Annick Ratsiraka, mba hirotsaka ho kandida filoham-pirenena saingy mbola tsy namaly moa izy. Mbola tsy naheno resaka fifanarahana politika koa hatreto ny Arema saingy miankina amin’ny zava-misy ihany io. Tsy maintsy mijery ny mahasoa ny vahoaka koa ny tena mpanao politika. Ny fahitako azy hatreto aloha, tsy mbola mizotra amin’izany fifanarahana politika izany isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT