Politique

Pr Alain Tiandrazanarivelo Ny tombany tsy mba vidiny


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Zava-dehibe loatra io fanendrena praiminisitra io ka tsy mahagaga raha samy maneho ny hetahetany amin’ny ahazoana ny toerana avokoa ny rehetra, hoy ny Pr Alain Tiandrazanarivelo.

 Te hiverina amin’ny maha Malagasy antsika aho, hoy izy, ka hilaza fa : ny tombany tsy mba vidiny ka tsy tokony horaisintsika ho ady izany trangan-javatra izany. Manontany ianareo mpanao gazety hoe : ianao ve mbola vonona raha misy manolotra eo amin’izany toerana izany ? Dia tsotra ny havaliko izany hoe : aleo aho tsy hamaly, satria tsy te handiso ny tenako aho. Izaho efa niteny tamin’ny haino aman-jery fa tsy tokony hanao «déclaration d’intention» intsony ny mpanao politika amin’izao fotoana izao fa hahavoafatotra azy ny vava havoakany. Na iza na iza, tsy tokony hisy intsony ny ho sakana amin’ny firosoana amin’ny famahana ny olana ankehitriny, hoy ity profesora ity, ary raha izaho manokana dia tsy ho sakana amin’izany fa efa nandray anjara ny tenako ary vonona ny hanohy ny vita fa tokony hisy fandaminana atao amin’ny raharaham-politika eto amintsika.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT