Efatra taona nampietry ny firenena ny fanjakana HVM tarihin-dRajaonarimampianina amin’izao fotoana. Niha nitotongana sy nijotso hatrany ny toekarem-pirenena, simba tanteraka ny fomba fisainan’ny Malagasy.
Potika ny fomba fisainana satria ezahina habadoina hanaiky lalandava ny efa hita fa tsy mety Malagasy. Fomba fiasa sy fiadin’ny mpitondra maro maneran-tany ny hanao izay hampangina sy hampikombona ny vahoaka ao aminy, ka lalàna roa no hizorana amin’ireo, dia ny fandemena azy ho sahirana sy maty noana, ka tsy afaka hanao na inona na inona. Ny faharoa kosa dia manao izay hahavoky sy miadana azy, ka mangina ny rehetra rehefa milamina ny fiainany amin’ny ankampobeny. Ilay fomba fiady voalohany no hampiasain’ny HVM, hany ka potika tanteraka ny firenena, mahantra ny vahoaka, manjaka ny kolikoly,… Ny resa-bola no hany fitaovana hoenti-manamafy orina ny seza, fa tsy ny fanohanan’ny vahoaka intsony. Sahirana tanteraka amin’ny fampitoniana vahoaka ny fitondrana, hany ka vao misy ny zavatra mafampana, dia ny resa-bola hatrany no vahaolana, ary tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fahafaham-baraka amin’ny kolikoly avo lenta. Ny fitondram-panjakana tokony ho filamatra no lasa fitaratra amin’ny leson-dratsy, ka atao mahagaga ve raha toa manjaka ny kolikoly eny anivon’ny fiarahamonina. Aty amin’ny fiafaran’ny fotoam-piasana vao mampanantena abobo hanarina sy hanandratra ny firenena, kanefa tao anatin’ny 4 taona namotika sy nanetry hatrany an’i Madagasikara. Ho sarotra ny fanarenana ny fahapotehana na ara-toekarena na ara-politika, eny fa hatramin’ny ara-toetsaina novolen’ity fanjakana ity, izay nanampy trotraka ny famotehana tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Tsy ho mora araka izany ny miandry izay mpitondra handimby ny HVM eo, ary mety ho tratry ny kiana mivaivay sy fanenjehana raha tsy haingam-piasa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.