Miditra amin’ny 100 andro fahatelo indray ny fitondrana HVM ankehitriny, resaka an-taratasy sy ambony latabatra ihany anefa no hita fa tsy tsapan’ny vahoaka ny ady amin’ny fahantrana sy fampandrosoana tena izy.
Mbola ambony ny tahan’ny fahantrana (92%) sy ny tahan’ny habadoana na ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra (48%) eto Madagasikara. Famatsiam-bola potipotiny no azo nanomboka tamin’ny 2014 fa tsy misy natokana ho ana tetikasa goavana. Sonia vita fotsiny ilay FED-11 miaraka amin’ny vondrona eoropeanina fa ny fepetra napetraka hivoahan’ny vola dia maro be ary hita fa tsy voahenjik’i Madagasikara ato ho ato mihitsy.
Mitombo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana tahaka ny fakana an-keriny, fanafihana mitam-piadiana arahana vono olona, sinto mahery, halabotry, trafika isan-tsokajiny. Mitaraina mitady fanampiana ny mpandraharaha Malagasy saingy tsy misy mihaino. Ny mpandraharaha vahiny indray aza no mibosesika eto, taorian’ny Karana, Frantsay, Sinoa, Afrikanina, dia io fa ho avy eto indray ry zareo Tiorka. Fehezin’ny vahiny ny banky sy ny toekarena amin’ny ankapobeny eto amintsika, izy ireo no mbola manana ny orinasa goavana sy matanjaka ary tena manao izay tiany eto mihitsy. Be resaka fotsiny fa tsy mihetsika miaro ny Malagasy sy ny firenena ireo mpitondra, izy ireo izay variana amin’ny fanamafisana ny sezany sy ny fahefany, ary mamingana ny mpandraharaha Malagasy toa azy. Re matetika ny hoe manampahefana tafiditra amina raharaha fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena na olona manana mpiaro ao ambonimbony ao ka afaka madiodio foana isaky ny tratra eny Ivato. Ny fianakavian’ny mpitondra ambony sasany amin’izany manangon-karena sy mifaninana mividy fiara lafo vidy ary ankehitriny dia efa miroso amin’ny fividianana trano any ivelany indray. Etsy an-kilan’izay, mitohy ny delestazy ary tsy mbola nahitana vahaolana maharitra sy mahomby hatramin’izao. Miha malemy sy potika tsimoramora ny Air Madagascar. Misisika any amin’ny fifehezana ny PPN (vary, menaka, siramamy) ny vahiny sy ny mpandraharaha Malagasy vazaha taratasy. Mihena isan-taona ny fahaizana amam-pahalalan’ny mpianatra Malagasy. Mitombo isa isan’andro ny Malagasy rava trano fonenana sy voaroaka amin’ny tany nitoerany am-polony taonany raha toa ka mangorona tany an-jatony, eny an’arivony hektara aza ny vahiny. Ny noheverina fa hiaro sy hisolovava ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany dia jamban’ny vola sy ny tombontsoa manokana. Ny malety no miteny eny amin’ny antenimieram-pirenena fa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka, izay ambara fa tompon’ny fahefana sy masi-mandidy.Voazanaka ara-toekarena, ara-bola, ara-tsaina ny Malagasy ary efa nozarina hanaiky sy hionona amin’ny kely ananany. Tsy atao mahagaga raha hiova anarana ity firenena ity afaka 10 taona, raha izao no mitohy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.