Polyclinique Ilafy

Nandà ankitsirano ny ampamoaka nahavoatonona azy


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Namoaka setriny na “droit de réponse” ny Polyclinique Ilafy manoloana ny

fanambarana nataon’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Mandà ankitsirano ny zavatra nolazain’ilay miaramila ity toeram-pitsaboana ity, ka nilaza fa tsy misy fifanarahana manokana teo amin’ny Polyclinique sy ny Hopitaly Miaramila, tsy misy mihitsy fifanekena na fifamatorana ara-dalàna eo amin’ireo rafitra roa ireo. Raha misy “évacuation sanitaire” na fanapahan-kevitra hampita marary, dia anjaran’ny marary na fianakaviany izany, amin’ny fahafahana tanteraka, tsy misy fitsabahana avy amin’ny Polyclinique, hoy ny fandisoam-baovao. Teboka faharoa, nisy koa filazana fa tsy maintsy mijanona 48 ora ao amin’ny Polyclinique aloha ny marary rehetra alefa “évacuation sanitaire” alohan’ny andefasana azy any ivelany. Nolavin’ny Polyclinique tanteraka io filazana io, ary nantsoiny hoe “diso tanteraka”. Nohazavainy fa ny anjara andraikiny amin’izany dia ny manombana ny toe-pahasalamana, ary raha ilaina dia manao izay hampilamina ny marary alohan’ny hanohizana ny fitsaboana any ivelany. Manoloana ireo fanambarana heverina fa manimba endrika, dia milaza ny Polyclinique Ilafy fa mitazona ny zony hitory amin’ny lalàna izay olona na rafitra rehetra manaparitaka vaovao tsy marina ka manimba ny lazany amin’ny besinimaro.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT