Politique

Politikan’ny kanosa Kopahana mafy ny TGV, fehezina ny antoko hafa


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Mitohy ny politikan’ny kanosa ataon’ny Fitondrana Rajoelina. Niharihary indray ny sary maneho ny fanavakavahana sy ny fitanilana eo amin’ny fahalalalahan’ny antoko tsirairay hanao hetsika politika hanetsehana ny mpanohana azy

avy, ahafahana miatrika ny fifidianana manaraka. Raha norarana mafy sy natao andrimaso mba ny Antoko TIM ny 08 oktobra 2022 teo tao Toamasina, tsy nahazo mivoaka ny Magro nandritra ny “rédynamisation”, dia nalalaka kosa ny TGV tany Fenoarivo Atsinanana tamin’ny hetsika nifandraika tamin’io. Nitohy ny sabotsy 15 oktobra tao Toamasina ny an’ny TGV, izay nomena alalana malalaka nidina an-dalambe. Nandeha ny vava tsy ambina samihafa tahaka ny hoe: “na inona na inona ataon’ialahy, resy ialahy”. Ny hafa firetina, atao izay tsy ahafahany mihetsika fa ny antokon’ny fitondrana kopahana mafy mba hanehoana sary fa tena mbola mamim-bahoaka. Tanjaka ve izany sa hakanosana? Mampiharihary ny fahalemen’ny fitondrana ankehitriny ireny, fandemen-tsaina hoenti-milalao ny saim-bahoaka fa tena mbola mahazaka olona ny mpitondra ankehitriny, ka lojika ny mety ho mbola fahalaniany ny sary tiana haseho. Natao mba hanakonana ny teti-dratsy sy halatra samihafa mety hiseho amin’ny fifidianana. Efa samy mailo ny rehetra, efa miandry sy miantrana, ambony ny tsindry politika ankehitriny. Asa hoe: mbola hahomby ve ny don-tandroka sy ny tetika politika avo lenta ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT