Politique

Politikan’ny frantsay aty amin’ny ranomasimbe indianina Mifono zavatra maro ny Nosy Eparsa


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Efa noresahana teto ny mikasika ny baikon’ny firenena mikambana ny amin’ny tokony hamerenan’ny frantsay ireo Nosy Eparsa amin’ny Malagasy madiodio saingy io mbola dongiany tsy maintsy hiaraha-mitantana io ihany.

 

 

Teo koa ny mikasika ireo harena miafina ao amin’ity nosy ity sy ireo firenena zanatany frantsay manodidina antsika toa an’i Mozambika sy Tanzania ary Seisely.  Ny tahirina etona hatrany amin’ny 167 tapitrisa m3 ao amin’ny tobin-dranon’i Morondava, ny tahirin-tsolitany 17 tapitrisa barila izay ny 2 tapitrisa amin’izany dia ao Bemolanga avokoa, ny tahirin-tsolitany 1,7 tapitrisa barila ao Tsimiroro sy ny hafa rehetra dia santionany ihany raha ny fanadihadiana. Antony iray tombanana mety hampifikitra ny frantsay amin’ity fiaraha-mitantana ity ihany koa ny fahafahany manara-maso ny fivezivezen’ireo sambo aty amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ny fahafahana misitraka ireo harena ara-tontolo iainana ao amin’ireto nosy kely ireto. Mampametra-panontaniana ireo mpamakafaka afrikanina ny momba an’i Kaomoro izay nahazo fahaleovantena ny taona 1974. Tapaka teo anivon’ny firenena mikambana 3 taona taorian’izay fa tsy azo atao ny manatontosa fitsapan-kevi-bahoaka momba ny famadihana ny nosy Mayotte tsy ho isan’i Kaomoro intsony fa departemanta frantsay. Tanteraka ihany anefa ny referandaoma ny taona 2009 ary lany 95% ny Eny nanekena izany maha departemanta frantsay an’i Mayotte izany. Fanontaniana mipetraka ny hoe sao dia ho tonga amin’izany ihany koa ny tanjona fonosin’ity resaka Nosy Eparsa ity sy ireo endrika fifidianana sarintsariny eto amin’ny firenena ?

J. Mirija  

                                                                                                                                                                                                                                                               

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT