Politikan’ny Fanjakana Rajoelina

Manam-bola ho an’ny manam-basy, fa ny sehatra maro adino


  • Zoma 02 Mey 2025

Nankatoavin'ny Fanjakana ny hanatanterahana toerak'asa voafaritra ara-tetibola (postes budgétaires)

miisa 820 ho an'ny taona 2025. Tamin'ny taona lasa dia ireo mpianatra Manamboninahitra ihany no noraisina ka nisy fahabangana teo amin'ireo miaramila an-daharana izay tena ilaina amin'ireo iraka ho an'ny fandriampahalemana. Araka izany, ireo toerak'asa voafaritra ara-tetibola ireo dia hatokana handraisana miaramila "réengagés" miisa 820, hoy ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra. Nankatoavina ihany koa ny hividianana solika ho an'ireo fiaramanidina sy angidimby ampiasain'ny Foloalindahy malagasy. Io solika io dia hahafahana manatanteraka sidina mitotaly 1167 ora ho ana fiaramanidina miisa 5 CESSNA 206, sidina 444 ora ho ana angidimby miisa roa AS350B2 ary sidina 183 ora ho ana angidimby iray H130, raha ny tatitra ara-teknika. Iaraha-manaiky, fa zava-dehibe ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, saingy maneho ny safidy politikan’ny Fitondrana Rajoelina hitodika kokoa any amin’ny tafika sy ny manam-basy ihany koa ny zava-misy. Ny sehatra maro azo ampandeferina sy tsy misy mpihaino, toy ny mpampianatra izay mamolavola ny zanaka Malagasy, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny tontolon’ny famoron’asa,… fa rehefa ny manam-basy dia misy vola sy hoenti-manana hatrany. Mifampiankina anefa ny zava-drehetra hoe : rehefa tsy misy famoronan’asa, rehefa tsizarizary ny fanabezana,… dia mivaona ho azy ny fiarahamonina, mitombo ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT