Politikam-pitantanana hafahafa

Ny doro tanety mitombo, ny tetibolan’ny minisitera nahena


  • Talata 20 Aogositra 2024

Mirongatra izay tsy izy ny doro tanety any amin'ny faritra atsimo andrefana manodidina ny ao Isalo sy Ilakaka.

Velarantany 4 ha indray no lasibatry ny fahamaizana ny alin’ny alahady teo taorian’ny tranga izay nahamaizana velarantany 400 ha ny 3 aogositra lasa teo. Hatreto tsy nahakasika ireo valanjavaboahary Isalo izay manana velarana 81 540 ha hatrany izany, izay heverina ho "incendie volontaire" hoy ny fampitam-baovaon’ny “Madagascar National Parks” Isalo. Nambara fa efa nanamafy ny fepetra fiambenana ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny « parc », nampitombo ny isan’ny mpiambina, ankoatry ny “Agent de Parc” miasa saingy izao mbola nahitana fahamaizana izao hatrany ny manodidina ity valan-javaboahary ity. Tselatr’afo telo mitsitokotoko tao Zahavola, anelanelan’ny hotely Satrana Lodge sy ny Centre d’interprétation Isalo no niantombohany. Adin’ny 2 sy sasany taoriany firehetana dia voafehy ny afo ary bozaka sy vato hatrany no may raha ny fampitam-baovao. Efa nisy moa ny olona 2 voasambotra noho ny fahamaizana ny 3 aogositra. Mbola ao anaty fikarohana ny tompon’antoka ny fahamaizana ny alahady alina teo kosa ny tompon’andraikitra any an-toerana ankehitriny. Voararan'ny lalàna ary maha voasazy higadra hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina ny mandoro tanety. Raha tena hoe hiaro ny tontolo iainana tokoa sy hikarakara ireo valan-javaboahary misy ary hanohy hatrany ny fambolen-kazo ny eto Madagasikara dia ny minisiteran’ny tontolo iainana no tokony ho be tetibola indrindra isan-taona. Tsy misy afatsy 1,1% n’ny tetibolam-panjakana anefa no natokana ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Fa ny tena mahagaga dia ny doro tanety sy ny ala ripaka mitombo fa ny tetibolan’ilay minisitera nahena. 50 000 ka hatramin’ny 100 000 ha isan-taona ny ala ripaka noho ny doro tanety eto Madagasikara. 113 miliara ariary ny taona 2020 dia lasa 94,4 miliara ariary ao amin’ny lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2024 ity.
Lalaina RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT