fampianarana sy ny manampahaizantsika »
Nitanterahana omaly 21 novambra 2025 ny famoahana ofisialy ny mari-pahaizana ho an’ny andiany Soatilo (Licence) sy Fanilo Mamiratra (Master), teo anivon’ny làlam-piofanana haifiarahamonina na « sociologie », anatin’ny Sampana EGS, eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nanome voninahitra ny lanonana tao amin’ny Cathédrale EGD ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Anjerimanontolo no nisy Filohan’ny Repoblika nanatrika mivantana ny famoahana andiany mpianatra, izay nanamafisana fa mametraka amin’ny toerany ny fanabeazana ny Fitondram-panjakana. « Minoa ahy fa ny hoavin’ity Madagasikara ity dia isika izay navoakan’ity Firenena ity. Na ny vola ny vola na ny olona tokony hanavotra ity Firenena ity dia isika izay navoakan’ity Firenena ity », hoy ny Filoha. Namafisiny ny hanomezana lanja ny manam-pahaizana Malagasy novolavolaina teto, ny hampiasana ny teny Malagasy satria teny vahiny no lasa nandrefesana ny hoe mahay na tsia ka lasa sakana,… Niantso ny mpianatra hifantoka amin’ny fianarana, fahavitana fianarana,… mba hamahana ny olan’ny Firenena, raha nampahatsiahy fa ny fahakiviany noho ny korontan-dava tany amin’ny oniversiten’i Barikadimy ny taona 1993 no nivadihany niditra tany amin’ny Akademia miaramila. Tsy manda ny mety fisian’ny zavatra tsy mety amin’ny anjerimanontolo ny tenany, saingy tsy tokony hanaiky lalaovina amin’ny politika ny mpianatra. Notsindriany ny finiavana sy ny fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana hamaha olana sy mitondra fanatsarana, toy ny amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ho famahana ny olan’ny jiro, fametrahana forage, fanamboarana bloc sanitaire, fandinihana ny fanarenana ny trano fonenan’ny mpianatra manerana ny Oniversite,... « Ny fotodrafitrasa dia manao ezaka, ny fangatahan’ny mpampianatra rehetra efa misy fikitihana any amin’ny tetibolam-panjakana izay iny aloha no zaka ho an’ity taona ity fa mbola hisy ny ezaka. Fitantanana nolavaina izao, ny teo aloha no tohizana, efa misy ezaka atao mikasika ny vatsim-pianarana. », hoy ny Filoha Randrianirina Michael. Nanamafy ny fisiana fandraisana mpampianatra 100 izay efa notapahan’ny Fanjakana ny Filoha, nandrisika ny Minisitry ny fampianarana ambony amin’ny ady amin’ny diplaoma hosoka dia ny « opération fôsika » moa ny Filoha, ary nahitsy nilaza hoe : « aza mihemotra, fa izahay no nampanao anao anio anao, ka raha misy mampitahotra dia aleo izaho no ampitahoriny ! Izahay mahalala olona tsy nianatra akory nefa misoratra anarana ato aminareo ato hoe mpampianatra, ka aleo izy haverina amin’ny toerana nisy azy dia ny mendrika no apetraka eo ». Nanizingizina ny hiadiana amin’ny kolikoly !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.